• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nanomboka omaly ny famatsiana fanafody sy vaksiny amin’ny alalan’ny Drone any amin’ny Faritra Atsimo-Antsinanana, Ihorombe ary Anôsy.

19/07/2024 10:23 © Moov

Mitohy hatrany ny ezaka famatsiana fanafody any amin’ny toerana saro-dalana. Notanterahina tao amin’ny Renivohi-paritry ny Faritra Atsimo Atsinanana ny tetik’asa Drone izay hamatsiana fanafody sy vaksiny ho an’ireo faritra saro-dalana any Atsimo. Ao anatin’izany ireo toerana ao anatin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Ihorombe ary Anôsy.

Nahomby ny paikady

Ezaky ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny hampisitraka ny Malagasy rehetra fanafody sy vaksiny ara-dalana. Mbola maro anefa ireo faritra sy toerana any anaty kizo ka tsy tongan’ny fiara sy ny moto. Araka izany dia nampiasaina ny teknolojia vaovao mba hahafahana manatratra izay tanjona izay. Nanomboka omaly ny ho an’ny faritra Atsimo ka ireo faritra telo ireo aloha no nanombohana izany. Raha tsiahivina dia efa nanomboka tamin’ny taona 2022 ny fanandramana ity tetik’asa ity. Tany Nosy Be no nanatanterahana izany. Raha ny antontan’isa farany sy ny fanazavana rehetra dia azo lazaina ho mahomby ity paikady ity. Raha toa ka nila 3 hatramin'ny 7 andro teo aloha ny famatsiana fanafody, amin'ny fampiasana ny lalana, dia efa vita ao anatin'ny ora vitsy izany amin'izao. Anisan’ny vokatra azo ihany koa ohatra, raha tsiahivina ny volana febroary sy septambra 2023 dia vehivavy malagasy 1.400.000 isa no avotra, noho ity tetikasa ity, tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara.

Tombony ho an’ny Tobim-pahasalamana aman-jatony

Raha tsiahivina ihany ny fanazavana dia mahazaka hatramin’ny 10 kilao ny iray amin’ireto Drone ireto. Ao anatin’izany dia afaka mandeha hatramin’ny 100 km isan’ora ihany koa izy ireo. Marihina ihany koa fa tobim-pahasalamana 150 isa no heverina hahazo tombony amin'izao tetikasa « drone » izao. Ankoatra ireo telo ireo dia mbola hiparitaka amin’ny Faritra miisa 4 any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ihany koa ny tetik’asa. Ao anatin’izany ny Faritra Atsimo andrefana, Androy, Vatovavy ary Fitovinany. Tsara ny manamarika fa mialohan’ny niantombohan’ny tetikasa dia nisy ny fampahafantarana sy fanentanana ireo mponina any amin’ny distrika voakasika. Nisy ihany koa ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana, mahakasika ny fomba handraisana ireo « drone » sy ny fanafody entiny. Tanora malagasy moa no namolavola io tetik'asa io ary izy ireo ihany no mikirakira azy.

Lire la suite

Articles Similaires