• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Miverina ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena ahitana fahasimbana

19/07/2024 09:20 © Moov

Efa ratsy avokoa ireo lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara, ankoatra ny lalam-pirenena voalohany (RN1) raha ny fanazavan’ireo mpamily mivezivezy eny amin’ireny lalana ireny. Voakasik’izany indrindra ny RN2, RN4, RN6 ary ao ihany koa ny RN7. Nanamarika ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy fa efa andalam-panamboarana ny lalana amin’izao fotoana izao.

Efa miverina ny fanamboarana

Efa nanomboka ny volana desambra 2023 ny fanamboarana ny lalam-pirenena. Nijanona izany noho ny fotoam-pahavaratra ka mampanano sarotra ny asa. Araka izany dia hiverina ny asa amin’izao fotoana izao. « Efa nisy ny sora-bola hahafahana manomboka indray ny asa. Famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana madiodio izany ka efa eo andalam-panavaozana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-4 », hoy ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Asa vaventy. Etsy andaniny anefa dia tsy vitan’ny volam-panjakana irery ihany ity asa ity fa eo ihany koa ireo famatsiam-bola avy any ivelany, toy ny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Mifanaraka amin’izany indrindra dia mangataka amin’ny Fanjakana ireo mpampiasa ireny lalana be mpivezivezy ireny ny mba hanaovana laharam-pahamehana ny fanarenana izany. « Raha tsy amboarina ireny lalana ireny dieny izao dia mety tsy ho azo handehanana intsony amin’ny fahavaratra », hoy ny fangatahan’ireo mpamily. Nanamarika izy ireo fa ankoatra ny solika lany dia miaka-bidy ihany koa ny kojakoja ka izay no anton’izany fangatahana izany.

Efa misy asa mivaingana hita

Ny voalohan’ny volana jolay lasa teo no efa nisokatra vonjimaika ho an’ny fiara rehetra ny fivialian-dalana na « déviation pour passage à gué » teo amin’ny reniranon’i Mahavavy, teboka halavirandalana Pk 568, ho an’ireo mampiasa ny lalam-pirenena fahaenina RN6, mampifandray an’Ambanja sy Antsiranana. Raha tsiahivina dia simba noho ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane farany teo ny tetezana teo amin’io toerana io. Etsy andaniny anefa dia mitohy ihany koa ny asa fanamboarana ny RN6. Mizara roa ny asa ka ny ampahany voalohany mahakasika ny fanamboarana ny lalana mampifandray an’Ambanja sy Ambilobe. Ny iray ampahatelon’ny asa no efa vita ankehitriny. Ny ampahany faharoa kosa, momba ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Antsiranana. Ny atsasaky ny asa no efa vita, izay ahitana fanamboarana lalana sy tetezana. Tanjona ny hanome fahafaham-po ho an’ireo mpampiasa lalana ary mba hampirindra tsara ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena iny. Ankoatra izany anefa dia efa mipetraka ihany koa amin’izao fotoana izao ny orinasa hanamboatra ny RN7.

Lire la suite

Articles Similaires