• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fako eny Andralanitra : Hahodina ho lasa zezika, entona…

19/07/2024 08:34 © Moov.Mg

Afaka miara-miasa tsara ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanadiovana ny tanàna. Natomboka omaly ny tetikasa fanomezan-danja ny fako mitoby ao Andralanitra ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Fako misavovona

Fako 400.000 taonina isan-taona no mitoby eo Andralanitra, izay toerana tsy lavitry ny toeram-ponenana ary ifamezivezen’olona maro isan’andro. Araka izany, misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ireo fako misavovona ireo. Mamoaka entona antsoina hoe : "méthane" mantsy ny fako. Hitombo hatrany nefa izany fako izany sy ny entona manimba avoakany, arakaraky isan'ny mponina izay tsy mitsaha-mitombo eto Antananarivo, sy arakaraky ny filàna misy. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny tetikasa « Valorisation et recyclage des déchets solides municipaux de la Commune Urbaine d'Antananarivo », izay manana tanjona ny hanodinana ny fako eto Antananarivo, izay mitoby eny Andralanitra. Fiaraha-miasan’ny vondron'orinasa Apis Solutions, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SMA (Société Municipale d'Assainnissement), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) ary ny avy amin'ny sehatra tsy miankina, izao tetikasa izao.

Hamokatra amin’ny taona 2025

Maro ny vokatra ho azo ao anatin’izao tetikasa izao. Isan’izany ny famokarana zezika biôlôjika izay ho azo ampiasaina amin’ny fambolena, ary mahasolo tsara ny zezika simika mahazatra. Ho an’ny sehatry ny angovo manokana, araka ny nambaran’ny minisitra Jean-Baptiste Olivier, dia hahafahana mamokatra entona « biométhane » ity tetikasa fanodinana fako ity, izay azo hampiasaina ho angovo ho an’ny orinasa, na koa amin’ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Entona mitovy lenta amin’ireo entona voajanahary moa ny « biométhane », ka mety kokoa ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Efa eritreretina ihany koa ny fomba azo hamadihana ireo fako ho herinaratra. Araka ny fantatra dia afaka herinandro vitsy no hanomboka ny asa fananganana ny toby voalohany fanodinana ny fako, ary amin’ny volana jolay 2025 no hanomboka hihodina sy hamokatra ilay entona “biométhane”.

Lire la suite

Articles Similaires