• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Somarôho andiany faha-11 : Ho hafanain'ny mpanakanto manodidina ny 40 isa

18/07/2024 16:46 © Moov.Mg

Miditra amin’ny andiany faha-11 ny Festival Somarôho, amin’ity taona 2024 ity. Ny 7 hatramin’ny 11 aogositra izao no hanatanterahana izany, any Nosy be.

Nanasana mpanakanto vahiny

Fampisehoan’ny mpanakanto manodidina ny 40 isa no horaisin’ny kianja Ambodivoanio ao Nosy be, mandritra ireo 5 andro hanatanterahana ny Festival Somarôho. Hampiavaka ity andiany faha-11 ity ny karazana mpanakanto nasaina handray anjara, izay nokendrena indrindra mba hahafa-po ny rehetra. Araka izany, misy ireo mpihira efa nametraka ny lazany manerana an’i Madagasikara nandritra ny taona maro, toa an’i Fandrama, Viavy Chila, Tence Mena sy Tovo Jhay, ary i Wawa. Eo koa ireo mpanakanto vao misondrotra nefa efa tena manana ny maha-izy azy sy be mpankafy, toa an’i Wendy Cathalina, Naël, Mopcaan, Anatal, Ceasar, sy ny maro hafa. Isan’ny handray anjara amin’ity hetsika lehibe mampalaza an’i Nosy be ity ihany koa, araka ny fanazavan’i Wawa, izay angady nanana sy vy nahitana ny Festival Somarôho, ny fandraisan’anjaran’i Jungeli, mpihira tera-tany congolais, saingy mivoatra sy manana ny toerany any Frantsa. Ho avy ihany koa ny Lucky Dube Band, avy ao Afrika Atsimo sy i Terrell avy ao Mayotte.

Fampiroboroboana ny fizahantany

Isan’ny fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ao Nosy Be ny Festival Somarôho, hoy ny mpikarakara. 150.000 no isan'ny mpizahatany andrasana hifamezivezy any an-toerana, mandritra ny herinandro hanatanterahana ny hetsika. Mandritra ny Carnaval fanokafana fotsiny no efa tombanana ho olona 50.000 isa no handray anjara, tompon-tany sy mpizahatany. Na izany aza, nilaza ny mpikarakara fa tsy misy atahorana ny fiantranoana. Miara-miasa amin'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny ofisim-pirenena misahana ny fizahantany any an-toerana izy ireo amin'izany. Maro hôtely fandriam-bahiny rahateo ao Nosy be ary misy ihany koa ny toerana azo ananganana trano lay.

Hetsika maro karazana

Isan'ireo mpiara-miasa sady mpanohana ny festival Somarôho ihany koa ny orinasa Telma ary ny orinasa Star, amin'ny alalan'ny marika THB. Tsy vao sambany izany, fa efa nisy hatrany ny fifanohanana, nandritra ireo andiany teo aloha. Amin'ity taona ity dia mampanantena ny orinasa Star, fa ho maro ireo toerana hahafahana manjifa ny vokatra vokariny. Ho an'ny Telma kosa dia zanaka an-trano i Wawa, amin'ny maha masoivoho (ambassadeur) an'ny orinasa azy, ka rariny loatra raha tohanana. Tafiditra ao anatin'ny andraikitra raisin'ny Telma, amin'ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy rahateo, ny Festival Somarôho, izay hahitana karazana hetsika maro. Ankoatra ireo fampisehoana tokoa mantsy, dia ho afaka hianoka fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny basket, kitra, fifaninana mitondra lakana, morengy, adin'akoholahy, sy ny maro hafa ihany koa ireo ho tonga any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires