• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Association Nationale Pour La Justice Administrative
Image
Vaovao

Lalàna famaizana : Nahitana fahombiazana ny fanavaozana tao anatin’ny lalàna momba ny famosirana

18/07/2024 15:49 © Moov

Nihena ny isan’ny tranga fanolanana zaza tsy ampy taona tamin’ity volana jona ity. Miisa 54 izany tamin'ny jona raha efa nahatratra hatramin’ny 116 io tamin’ny volana janoary. Nanambara araka izany ny Ministeran’ny Fitsarana, nandritra ny varavarana misokatra izay notanterahina tetsy Analakely fa nahomby ny lalàna vaovao izay nasiam-panavaozana.

Nahitana fihenana ny tranga

Araka io antontan’isa io dia nahitana fihenana ny tranga na fanolanana zaza tsy ampy taona tamin’ity volana jona ity. Izany no tanteraka dia noho ny fampidirana ity lalàna vaovao ity. Raha tsiahivina dia ny fitombon’ny tranga na fanolanana zaza tsy ampy taona tamin’ny taona 2023 no nahatonga ity fanapahan-kevitra ity. Manamafy ny lalàna momba ny famosirana izy io. Nahitana fahombiazana izany amin’izao fotoana izao raha io fihenan’ny tranga io no jerena. Nanamarika ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa fa ity lalàna ity dia tsy natao hanasaziana irery ihany fa natao ihany koa hampatahotra. « Tsy diso ihany ny Politikan’ny Filoham-pirenena tamin’izany safidy izany satria izao ny vokatra tsara », hoy hatrany ny tenany nanazava. Azo antenaina ihany koa hoe hitondra fivoarana sy fiovana amin’ny fiaraha-monina izany fanovana tamin’ny lalàna izany.

Miandry didim-panjakana

Tsara ny mampatsiahy fa efa nanankery nanomboka ny 26 febroary 2024 ity lalàna vaovao momba ny famosirana ity. Efa miandry ny didim-panjakana hahafahana mampihatra izany sisa ny Ministeran’ny Fitsarana. Nanamarika izy ireo fa eo am-pelatanan’ny Governemanta izany lalàna nasiam-panitsiana izany amin’izao fotoana izao. « Lalàna toy ny lalàna rehetra ny momba ny famosirana ity ka tsy maintsy misy iny didim-panjakana fampiharana iny vao afaka tanterahina manerana ny Nosy », hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina dia ireo rehetra izay tratra amin’izany fanolanana zaza tsy ampy taona izany dia iharan’ny famosirana ankoatra ireo lamandy sy ireo sazy samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires