• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolo Tv
Image
Vaovao

Toamasina : Efa tsy niatrika ny adina ara-panatanjahantena, mety mbola tsy hiatrika ny adina antsoratra ireo mpianatra miisa 29 voasoloky

18/07/2024 14:36 © Moov

Niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera sy nahazo ireto mpianatra amina sekoly tsy miankina miisa 29 ao Toamasina. Tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana handray anjara amin’ny fanadinana bakalôrea amin’ny alatsinainy izao izy ireo noho ny fisolokian’ny Talen’ny sekoly nianarany. Efa tamin’ny adina ara-panatanjahan-tena izy ireo no efa nifanehatra tamin’izany olana izany.

Tsy mendrika ho mpanabe

Hotanterahina manomboka ny alatsinainy izao ity fanadinam-panjakana ity. Mbola tsy naharay ny taratasy fiantsoana foana izy ireo hatramin’izao. Voasolokin’ilay Talen-tsekoly izay nianarany izy ireo, raha ny fanazavana. Tsy mendrika ny ho mpanabe izany Tale izany hoy ny hevitr’ireo mpanabe hafa. Izany mpanabe sady misoloky no mandainga izany dia tsy tokony hampianatra sy hanabe ka tokony handraisana fepetra, hoy izy ireo. Marihina moa fa efa nahavoaloa ny saran’ny fanadinana sy ny saram-pianarana rehetra ireto mpianatra ireto. Simba ny ho avinay hoy izy ireo tamin’ny alahelo. « Ny zavatra tena mampalahelo ahy dia izahay arirarirany foana isaky ny mangataka ilay taratasy fiantsoana any aminy. Tamin’ny voalohany izy milaza fa mikarakara azy. Rehefa aty aoriana dia hoe efa aty amin’ny Ministera mandamina azy », hoy ny solontenan’ireo mpianatra tamin’ny ranomaso, nanazava izany. Hatramin’izao dia mbola miandry hatrany izy ireo.

Tsy anaty lisitra

Niezaka nitady vahaolana hatrany ireto mpianatra ireto sy ny Ray aman-dReniny avy. Rehefa nanatona ny Office du Baccalauréat tao Toamasina izy ireo dia voamarina tamin’izany fa tsy nisy antontan-taratasian’ireto mpianatra akory tao. Araka izany dia tsy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpianatra hiatrika ny fanadinana amin’ny alatsinainy akory izy ireo amin’izao fotoana izao. Etsy andaniny dia ho very taona iray ihany koa raha tsy misy ny vahaolana. Amin’izao efatra andro alohan’ny fanadinana izao anefa dia mangataka fanampiana hatrany amin’ireo Tompon’andraikitra ambony izy ireo mba hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’izany indray. Manamarika ireto mpianatra ireto fa tsy hita intsony ireo mpampianatra izay heverina ho tompon’antoka tamin’izany amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires