• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Fanatsarana fomba fiasa : Hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra ny foibe fitsarana fiarakodia

18/07/2024 11:54 © Moov

Efa manomboka miditra tsikelikely amin’ny fampiasana ny teknolojia ny Sampan-draharaham-panjakana rehetra eto Madagasikara. Nanambara ny heviny tamin’izany ihany koa ireo avy ao amin’ny Foibe Fitsarana fiarakodia (DGSR). Hampiasa ny digitalisation ihany koa izy ireo amin’io andraikitra sahaniny io.

Hialana amin’ny kolikoly

Fanatsarana ny fomba fiasa sady ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly no anton’ity fanovana ity. Nanambara ny Tale Jeneralin’ny DGSR fa asa hiarahana manatanteraka izany ady amin’ny kolikoly izany. Mandray ny anjara birikiny amin’izany araka izany izy ireo. Efa nanomboka tamin’ny volana jona teo no nampiasaina ny taratasy vaovao fanamarinana ny fahavitan’ny fitsirihana fiarakodia. « Rehefa vita ny fitsirihana dia misy ilay taratasy hatolotra ny tompon’ny fiara manamarina ny fahavitan’izany (Procès-verbal). Nanomboka ny volana jona teo dia navaozina izy io. Procès-verbal amin’ny endriny vaovao manomboka izao no hampiasaina. Nasiana QR code izany mba hisorohana ny hosoka », hoy ny fanazavan’ny Jeneraly Reribake Jeannot, Tale Jeneralin’ny DGSR, omaly. Io QR code io no hahafahana manamarina, amin’ny fotoana rehetra fa nahavita fitsirihana ny fiarany ilay olona. Ankoatra izany dia nasiam-panovana ihany koa teo amin’ny endrik’izany PV izany. Nohakelezina io taratasy io, natao « format A5 » mba hanamora ny fitondrana azy, hoy ny tohin’ny fanazavana. Ny fampiasana io teknolojia môderina io no hahafahana miady amin’ny hosoka amin’ireny taratasy ireny. Tsy maintsy hisy araka izany ny fijerevana sy fanaraha-maso azy ireny.

Application e-tsirika

Ankoatra izany, misy ihany koa ny rindram-baiko (application) vaovao izay natolotra omaly. Hampiasa ny application e-tsirika, izay hahafahana manara-maso ireo fiara rehetra ihany koa ny DGSR manomboka izao. Ity teknolojia ity indray dia natao indrindra hitsirihana ny fiara. Hampiasaina izy mba hahafantarana hoe nahavita ny fitsirihana ihany koa ve ilay fiara. Ho hita araka izany amin’ny fotoana rehetra ny momba ny fiara. Ho ampiasaina mandritra ny fitsirihana tampoka (visite inopinée) ihany koa ity application ity mba tsy hisian’ny fahadisoana. Marihina fa ny tanjon’ity sampan-draharaha iray ity amin’izany dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny lozam-pifamoivoizana izay atrehintsika matetika.

Lire la suite

Articles Similaires