• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Fanadinana bakalôrea : Nitombo ho 1 miliara 214 tapitrisa ny tambi-karama ho an’ny mpisehatra rehetra

18/07/2024 09:29 © Moov

Nahitana fiovana ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana bakalôrea tamin’ity taona 2024 ity. Manoloana ireo fanahiana rehetra momba ny mety handoavana na tsy handoavana izany dia nanatanteraka valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny Tale misahana ny vola ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nandritra izany no nampahafanatarany fa nitombo hatramin’ny 1 miliara 214 tapitrisa ariary izany sandam-bola ho ampiasaina izany.

Tsy misy atahorana

Nanome toky araka izany ny avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo fa tsy misy hatahorana ny fikarakarana ity fanadinam-panjakana ity. Efa eo am-pelatanan’izy ireo rahateo io lelavola io. « Nisy ilay taratasy fangatahana izay nalefanay ka nivaly mialoha ny tapany voalohany tamin’ny lelavola hampiasaina amin’ny fanadinana. Ho ampiasaina amin’ny fandoavana ny tambi-karaman’ireo « vacataire » sy ireo mpitsara fanadinana io lelavola io mba hampirindra ny fandaminana izany », hoy ity Tale ara-bola eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ity. Raha tsiahivina ny taona 2023 dia nisy ny korontana nandritra ny fitsarana ny taratasim-panadinana noho ny tsy fahazoana’izy ireo ny tambi-karamany. Nanamarika araka izany ity Tompon’andraikitra ity fa tsy hisy intsony izany olana izany amin’ity taona 2024 ity. Tanteraka izany ezaka izany noho ny paik’ady vaovao izay napetraka. Ao anatin’izany ohatra ny fiaraha-maisa akaiky amin’ny ministeran’ny vola izay namoaka ara-potoana io tambi-karama io.

Tsy misy vary mangatsiaka intsony

Nanamafy ihany koa ity Tale ity fa efa tsy manana vary mangatsiaka amin’ny fanefana tambi-karama ny taona 2023 intsony izy ireo. « Efa voaloha avokoa izany rehetra izany, tsy misy intsony izany ambiny tsy voaloa misy minia manaparitaka izany », hoy hatrany izy tamin’ny fanazavana. Amin’ny ankapobeny dia efa mizotra ao anatin’ny filaminana tanteraka ity fanomanana ny fanadinana ity. Ny tanjona amin’ity taona ity moa raha ny fanazavana hatrany dia ny hanatanterahana ny dingana rehetra ao anatin’ny filaminana tanteraka. Efa mandeha avokoa amin’izao fotoana izao ireo asa rehetra. Raha hampahatsiahivina dia ny alatsinainy izao no hanatanterahana ity fanadinana ity manerana ny Nosy. Hitohy avy hatrany amin’ny fitsarana izany rehefa avy eo ka mety hivaly any amin’ny volana septambra any.

Lire la suite

Articles Similaires