• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady amin’ny hanoanana : Isan’ny vahaolana ny fankatoavana ny « Protocole de Maputo »

17/07/2024 17:30 © Moov.Mg

21 taona tamin’ny 11 jolay 2024 lasa teo ny nandanian’ny Vondrona Afrikanina ny Fifanarahan’i Maputo (Protocole de Maputo), izay mifototra amin’ny fampanjariana ny zon’ny vehivavy, amin’ny ankapobeny. Hatramin’izao anefa, mbola tsy niroso tamin’ny fankatoavana azy io i Madagasikara.

Misy andininy 32

Maro ny fanentanana efa nataon’ny fiarahamonim-pirenena, raha tsy hilaza afa-tsy ny hetsika lehibe notanterahina tamin’ny taon-dasa, teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ho fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Fifanarahan’i Maputo. Tsy mitsahatra ny manao adisisika, ny amin’ny tokony hirosoan’i Madagasikara amin’ny fankatoavana azy ity ara-dalàna, ny Coalition Forum Génération Égalité (FGE), satria mbola sonia no nataon’i Madagasikara, tamin’ny 28 febroary 2004. Ny fankatoavana (ratification) kosa dia mbola miantona hatreto. Ampahany kely amin’ny andininy faha-14 ao anatin’io fifanarahana io anefa, raha ny fahitan’ireo mpikambana ao anatin’ny FGE azy, no sakana tsy hahatanterahan’izany. Miresaka momba ny tokony hisitrahan’ny vehivavy ny zony hanatsahatra vohoka noho ny antony ara-medikaly, io ampahan’andininy io, na ilay antsoina hoe : ITG, hoy i Lolonirina Jessica Stéphanie. Misy andininy 32 anefa ny fifanarahan’i Maputo, izay miompana amin'ny karazana zo amin’ny sehatra maro, toy ny fandovana, ny fandraisan’anjara ara-pôlitika, ny zon’ireo mananon-tena sy ireo manana fahasembanana…

Fampandrosoana ny firenena

Misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tsy fanjarian’ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy. Ohatra iray mivaingana ny momba ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Araka ny antontan’isa mahakasika ny tondro momba ny hanoanana eran-tany (GHI) izay nivoaka tamin'ny taona 2023, dia ireo firenena tsy mbola nankatoa ny Fifanarahan’i Maputo avokoa no any amin’ny laharana faramparany. Isan’izany i Somalie, Niger, Soudan ary i Madagasikara, izay faha-124 amin’ireo firenena 125. « Hita fa misy fivoarana be ireo firenena efa nankatoa ny Fifanarahan’i Maputo, fa isan’ny vodilaharana amin’ny tondro momba ny hanoanana kosa ireo mbola tsy nanao izany », araka ny fanamafisan-dRamparaoelina Tendry, avy ao amin’ny FGE. Ohatra ihany ny ady amin’ny hanoanana, fa ahazoan’ny firenena tombontsoa betsaka ny fankatoavana ny Fifanarahan’i Maputo, hoy ny fiarahamonim-pirenena. Ny tanjona dia ny hisitrahan’ny vehivavy ireo zon’olombelona rehetra, izay mametraka azy amin’ny hasiny. Izany no antony mbola anaovan’ny fiarahamonim-pirenena antso avo amin’ireo mpanapa-kevitra, mba hirosoana amin’izay ny fankatoavana ity fifanarahana ity, ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires