• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma Adn
Image
Vaovao

Génération 2000’S : Mpanakanto miisa fito hampiaina indray ny hira taona 2000

17/07/2024 16:39 © Moov

Efa andiany faharoa ity hetsika Génération 2000’S. Mpanakanto miisa fito no handray anjara amin’izany. Hamerina indray ny hamamin’ny hira tamin’ny taona 2000 izy ireo, ny 28 jolay ho avy izao. Ahitana ny tarika Unik, Tarika Zay, Joy K, Tovo J’hay, Raboussa, Titi ary i Spydee.

Fahatsiarovana

Hotanterahina amin’ny alalan’ny lohahevitra hoe « hamerina ny fahatsiarovana mamy taloha » ity andiany faharoa ity. Hikalo ireo hira nanamarika ny taona 2000 na ireo hira antsoina hoe « tubes » tamin’izany fotoana izany avokoa izy ireo. Samy hihira ny hirany avokoa izy ireo ary haharitra eo ho eo amin’ny 45 minitra isaky ny tarika eo ny fampisehoana izay hotanterahiny. Mety ahitana fampiaraham-peo ihany koa anefa ao. Hitondra ny mpijery any amin’ny tontolon’izany taona 2000 sy ny style rehetra tamin’izany ireto mpihira ireto. Azo antenaina araka izany fa hanakoako ny hira rehetra izay nahafantarana ireo tarika ireo ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ohatra amin’izany, ny hiran’i Raboussa, « Mpandresy ambonin’ny mpandresy », ny hiran’i Tovo J’hay, « teny mamy », Joy K « embona » sy ireo hira rehetra izay nankafizin’ny tanora tamin’izany fotoana izany.

Seho miavaka

Nanamarika ihany koa ny SR Event, izay mpikarakara ny hetsika fa hiavaka ny seho rehetra mandritra io fotoana io. Hiavaka noho ny tamin’ny andiany voalohany, ny taona 2022 izany raha ny fampanantenan’ireo mpikarakara. « Ecran » mirefy hatramin’ny 90m2 no ho ampiasaina mandritra io fotoana io, hampisehoana ireo rehetra nanamarika iny vanim-potoana iny. Hampiavaka ny seho ihany koa ny hira rehetra izay hotendrena avokoa. Etsy andaniny anefa dia hisy ihany ireo fanafanana ny sehatra amin’ny alalan’ny DJ sy ireo hetsika samihafa hanomezana aina ny seho. Hiarahan’ny SR Event mikarakara amin’ny Telma Madagascar sy ny Fresh Madagascar ity fotoan-dehiben’ny tanora sy ny ankizy Génération 2000 ity. Efa azo jifaina ny tapakila amin’ny vidiny manomboka amin’ny 8 000 ariary hatramin’ny 100 000 ariary.

Lire la suite

Articles Similaires