• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tia Tanindrazana
Image
Vaovao

Fialan-tsasatra hieren-doza : Hamafisina ny fitsirihana fiarakodia miaraka amin’ny DGSR

17/07/2024 15:58 © Moov

Manamafy ny fisian’ny fitsirihana fiarakodia sy ny tsy maintsy hanaovana izany ho an’ny fiara rehetra ny Direction Générale de la Sécurité Routière (DGSR). Marihina fa tsy ny fandehanana mafy irery ihany no miteraka ny lozam-pifamoivoizana fa eo ihany koa ny tsy fahatomombanan’ny fiara. Izany indrindra no ilaina ny manao fitsirihana amin’izao vanim-potoan’ny fialantsasatra izao.

Fiara hatramin’ny 4 467 no mandalo eny amin’ny foibe

Manamafy ny avy ao amin’ny DGSR fa ny fiara rehetra dia tokony handalo fitsarana fiarakodia avokoa, indrindra ireo izay handeha amin’ny lalana mbola tsy nahazatra azy. Raha tao anatin’izay fanombohan’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra izay dia nanambara izy ireo fa efa miisa hatramin’ny 4 467 ireo « taxi brousse » manatona ny DGSR hanao ny fitsirihana fiarakodia. Maniry hanao ny zotra nasionaly sy rejionaly izy ireo amin’izao vanim-potoan’ny fialana sasatra izao. Nahitam-piakarany izany raha oharina tamin’ny herintaona toy izao. « Fialan-tsasatra hieren-doza no tanjon’ny DGSR amin’ity taona ity. Tokony tanjon’ny rehetra ihany koa izany », hoy ny Tale Jeneralin’ny DGSR, ny Général de Division Reribake Jeannot.

Misokatra rehefa sabotsy

Nanomboka tamin’ny fitondran’ity Tale vaovao ity dia mivoha isaky ny sabotsy ireny toerana fitsarana fiarakodia ireny. Nanamarika ihany koa izy ireo fa aman’arivony izy ireny no tonga eny an-toerana amin’izao vanim-potoana izao. « Tsy miova ny saran’ny fitsirihana fa 13 000 ariary eo ho eo ihany ho an’ny fiara izay handeha amin’ny toerana tsy mahazatra azy. Io sarany io ve no hamoizana ain’olona, tsy aleo manao fitsirihana ihany », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tale Jeneraly ity. Anisan’ny nanamarika ihany koa ity Tompon’andraikitra ity fa efa mitohy misokatra hatrany ireo toeram-pitsirihana fiarakodia vaovao miisa telo eto Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires