• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Outre-Mer La 1Ère
Image
Vaovao

Faritra Atsimo Atsinanana : Nanomboka ny alatsinainy teo ny taom-piotazana lavanila ho an’ny taona 2024

17/07/2024 14:55 © Moov

Nanomboka ny alatsinainy 15 jolay teo ny taom-piotazana lavanila maitso hoan’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny Faritra Fitovinany. Noho ny fifampiresahana teo amin’ireo mpisehatra rehetra dia nisy ny fandaminana vaovao natsangan’izy ireo.

Tsena isaky ny Kaominina

Nisy ny fananganana ny tsena isaky ny Koaminina na ilay antsoina hoe « marché contrôlier ». Io tsena natsangana io no mamaritra ny vidin’ny lavanila hapetraka isaky ny toerana. Marihina fa tsy nisy ny famerana ny vidina lavanila maitso tamin’ity taona ity. Vokatry ny fifampiresahana teo amin’ny tantsaha mpamboly, ny mpandraharaha sy ireo tompon’andraikitra rehetra any an-toerana no nahafahana nandray izany fanapahan-kevitra izany. « Miankina amin’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny vidin’ny lavanila. Eo kosa anefa no hanentanana ny mpamboly mba hahay handresy lahatra ny amin’ny mason-karena lany tamin’izany fambolena izany », hoy ny solontenan’ireo Ben’ny Tanàna ao amin’ny Distrikan’ny Fitovinany. Nanamarika ihany koa ireto mpamboly ireto fa tokony misy hatrany ity paik’ady vaovao ity mba hialana amin’ny fandrirariran’ny mpandraharaha amin’io vidina lavanila io. Raha tsahivina dia vao tsy ela akory izay no tafidina 25 000 ariary ny kilaon’ny lavanila maitso raha tokony tsy ho latasaky ny 75 000 ariary izany.

Misokatra ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana

Etsy andaniny dia nanambara ihany koa ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra fa efa misokatra ny fangatahana fankatoavana (agrément) hanondrana lavanila. Hifarana amin’ny 31 jolay izany. Nivoaka niaraka tamin’izany ihany koa ny antontan-taratasy ilaina amin’izany fanagatahana izany. Tsara ny mampatsiahy fa efa misy amin’izao fotoana izao ny Kôperativa mpamboly lavanila no efa manondrana ihany koa. Anisan’ny tanjon’ny Ministera rahateo ihany koa ny hampiroborobo ireny Kôperativa ireny. Araka izany dia efa afaka manao izany avokoa ny rehetra rehefa mahafeno ny fepetra ilaina amin’izany sy ankatoavin’ny Ministera.

Lire la suite

Articles Similaires