• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Global Partnership For Education
Image
Vaovao

Fampianarana : Tokony raisina ho dingana iray lehibe eo amin’ny ankizy ny fanabeazana fototra

17/07/2024 12:36 © Moov

Tsy tokony hatao antsirambina ny fampianarana ny zaza any amin’ny ambaratonga fototra. Iny toerana iny no hahafahany mahazo ny fahalalana mety ho ilainy amin’ny fiainany rehetra (base). Izany indrindra no torohevitr’ireo Talentsekoly amin’izao fotoan’ny fampidirana mpianatra izao.

Mila mahay misafidy sekoly

Amin’izao fialantsasatra izao dia efa samy mikenonkenona sahady amin’ny fidiran’ny mpianatra ny Ray aman-dReny. Isan’ny manahirantsaina ireto farany ireto ihany koa ny fisafidianana ny sekoly hianaran’izy ireo. Maro ireo sekoly azo hisafidiana saingy samy manana ny fomba entiny mampianatra izy ireo. Miankina amin’izany ihany koa ny saram-pianarana izay misy mahatratra hatramin’ny 300 000 ariary isam-bolana kanefa misy ihany koa ny 20 000 ariary. « Mila mahay misafidy tsara ny Ray aman-dReny amin’ny sekoly fototra. Io fotoana io no hamaritra ny faharanitan-tsain’ny ankizy mandritra ny fiainany iray manontolo », hoy ny Talentsekoly iray. Marihina fa samihafa ireo fampianarana fototra ireo arakaraka ny rafitra entin’ilay sekoly mampianatra (système éducatif). Manana safidy araka izany ny Ray aman-dReny ary tokony hifanaraka amin’izay tanjona tiany ho an’ny zanany ny fisafidianana izany.

Hitarafana ny hoaviny

Dingana iray lehibe hahafahana mamaritra ny mety hoavin’ny ankizy ny fampianarana fototra. Amin’ny ankapobeny dia maharitra dimy taona eo ho eo io dingana voalohany io. Manoro hevitra hatrany ireo Talentsekoly fa tokony hanaraka izany amin’ny antsakany sy andavany ny ankizy kely. Ny tsy fandinganana kilasy ihany koa dia anisan’ny zava-dehibe sy manampy betsaka ny ankizy hanampy hatrany ny faharanitan-tsainy. Raha ny tokony ho izy dia manaraka ny fitsipika sy ny dingana rehetra napetraky ny Fanjakana ny mpianatra mba hahafahana sahady manomana azy amin’ny dingana manaraka. Mifarana amin’ny fahazoana ny mari-pahaizana CEPE moa ity fampianarana fototra ity.

Lire la suite

Articles Similaires