• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Fitorohana ny Fadintseranana ao anaty Facebook : Misy sary iniana aparitaka, hoy ny tale jeneraly

07/07/2024 07:13 © Moov.Mg

Maro, tato ho ato, ireo fitorohana mahazo ny Fadintseranana Malagasy mivoaka eny anaty tambajotran-tserasera eny. Fitakiana vola, halatra, fampitahorana… arahina sary na horonantsary izany, amin’ny ankapobeny. Nilaza ny heviny momba ireny tranga ireny ny tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, omaly.

Mila mitandrina

Voalohany nomarihinan’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, ny hoe : tsy mpiasa avy amin’ny Fadintseranana avokoa ireo rehetra miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina, ka tsy tokony afangaro. Nilaza ihany koa izy fa tsy madio tanteraka akory ny fadintseranana, fa ezahina kosa ny manatsara ny asa sy mitaiza ny mpiara-miasa. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy fa nisy fanamboarana, na noesorina tamin’ny hodidina nisy azy tany am-piandohana ny ankamaroan’ireny sary naparitaka tany anaty Facebook ireny. Misy olona efa tsy niasa tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nandritra ny 5 taona, ohatra ; nisy sarina « magasin de stockage » efa tamin’ny 15 taona lasa... Noho izany indrindra dia nanentana ny rehetra ny tale jeneralin’ny Douane Malagasy, mba hitandrina amin’ny fandraisana ny ranty mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera, satria amin’izao andro mahamora ny fifaneraserana izao, ny olona tsirairay dia afaka miteny izay tiany tenenina, na zavatra tsy ananana porofo aza, hoy i Lainkana Zafivanona Ernest. Tsy ilaozan’ny olona te hanakorontana ihany koa, hoy hatrany izy.

Tolotra fanatsarana

Tsy azo lavina fa misy ireo olona tsy afa-po amin’ny fomba fiasan’ny fadintseranana, antony amoahany ny alahelony na ny hatezerany ao anaty tambajotran-tserasera. Saingy ao anatin’ny fanatsarana tanteraka, ny Fadintseranana Malagasy amin’izao fotoana izao. Dingana maro no efa vita, ka tafiditra ao anatin’izany ireo karazana tolotra vaovao omeny, ho fanamorana ny fanambarana atao eny anivon’ny fadintseranana. Isan’izany ny E-Tariff Tool, hita ao anatin’ny tranonkalan’ny Fadintseranana Malagasy, izay ahafahana mahalala ireo saran’entana tokony alohan’ny mpanafatra entana. Eo koa ny rindram-baiko am-pinday (application) « Déclaration en Douane MDG », azon’ireo manana finday avo lenta rehetra ampiasaina, hanambaran’ireo mpandeha fiaramanidina ireo entana ampidiriny eto Madagasikara, ka tokony handoavana haba sy hetra.

Lire la suite

Articles Similaires