• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina : Nitsidika teny amin’ny Antenimierandoholona ny Vondrona EGIS

16/07/2024 16:45 © Moov.Mg

Nitsidika ara-pomba fanajana teny amin’ny Atenimierandoholona, eny amin’ny Lapan’Anosikely, androany, ireo delegasiônina avy amin'ny vondron’orinasa EGIS. Tanjon’ny fifampidinihana ny momba ireo fiaraha-miasa azo tanterahina na tohizina, ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Misehatra amin’ny fanorenana

Vondron’orinasa tsy miankina frantsay ny EGIS, izay misehatra amin'ny fanorenana sy fanarenana fotodrafitrasa. Misandrahaka amin’ny firenena manodidina ny 100 isa manerana izao tontolo izao ity vondrona ity amin'izao fotoana izao. Efa 50 taona kosa izay no niasany teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny EGIS INFRAMAD, izay niorina teto amintsika nanomboka ny taona 1974. Ny sehatry ny fanorenana no iandraiketany, indrindra ny eo amin’ny lafiny fitaterana, na an-tanety na an-dranomasina, na an’habakabaka. Sahaniny avokoa, ary ananany manam-pahaizana manokana, ireo dingana rehetra lalovan’ny tetikasa, manomboka any amin’ny famolavolana ny tetikasa, ny fandinihana ny fahafaha-manao amin’ny fanatanterahana azy, hatramin’ny fitsirihana ara-teknika sy ara-bola. Maro ny sehatra efa niarahan’ny firenena malagasy niasa taminy, ka anisan'ny lehibe indrindra amin'izany ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina, fiaraha-miasa izay hitohy hatramin'ny taona 2027.

Vonona hiara-hiasa

Ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ireo faritany Avaratra, Besoa Erick, niaraka tamin’ny Kestora eto anivon'ny Antenimierandoholona, Fernand Eddie Serge, no nandray ity delegasiônina ity, nisolo tena ny jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan'ny Antenimierandoholona, izay mamita iraka any ivelany. An-kilany kosa ny delegasiônina notarihin’i Laurent Germain, Tale Jeneralin'ny vondrona EGIS, niaraka tamin’ny tale eto Afrika sy ny tale Jeneraly lefitra eto Madagasikara. Anisan'ny noresahana, nandritra ny fihaonana, ny fanavaozana sy fanamboarana lalana, seranan-tsambo ary seranam-piaramanidina eto amintsika. Nambaran'ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona fa vonona ny hiara-hiasa amin'ny vondrona EGIS ity andrim-panjakana ity, ho fanamorana ny fanatanterahana ireo tetikasa izay ataon'ity vondrona ity eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires