• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Lalao Olimpika : Manamafy ny fanomanana ireo solontenan’ny Madagasikara miisa 7

16/07/2024 16:26 © Moov

Andro sisa no isaina dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalao Olimpika any Frantsa. Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ireo hisolotena an’ny Madagasikara miisa fito amin’izao. Nohamafisina sy maro ireo nohatsaraina tamin’izany fanomanana sy fanazaran-tena izany.

Hifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Azo lazaina tsy hoe vao izao vao handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena toy izao ireto solontenantsika ireto. Etsy andaniny anefa dia nohamafisina ny fanomanana satria misy amin’ireo mpifaninana no efa sangany maneran-tany ka ho mafy ny lalao. Raha tsiahivina dia lalao iray miavaka ahitana mpilalao avy amin’ny firenena isan-karazany ity lalao ity. Ireo sangany sy ireo namiratra ary ireo izay nampiseho ny fahaizany ka nahazo ny karatra manokana no handray anjara amin’izany. Araka izany dia tsy maintsy maro ireo teknika no novaina sy nohatsaraina mba hahafahana mahazo isa tsara. « Tanjona ny hanatsara ny zavatra efa vitako. Sarotsarotra aloha ny fanomanana satria misy ireo teknika novaina noho ny fisian’ireo atleta mandray anjara izay efa matihanina sy efa mandray anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena isan-karazany », hoy i Jonhatan Raharvel, solontenan’ny Madagasikara amin’ny taranja lomano.

Tanora miisa 7

Raha hampahatsiahivina dia miisa 7 ireo tanora lahy sy vavy no afaka hisolotena an’ny Madagasikara mandritra ity lalao lehibe iray ity. Ahitana an’ny Rosina Randafiarison, izay ao amin’ny taranja fibatana fonjam-by. Ny tenany ihany koa no hitondra ny sainam-pirenena Malagasy mandritra izany. Ao ihany koa i Fabio Rakotoarimanana, ao amin’ny taranja Tennis de table. Misy an’i Laura Rasoanaivo kosa ao amin’ny taranja Judo. Hisolo tena antsika ihany koa i Rija Vatomanga sy i Sidonie Fiadanantsoa ao amin’ny athlétisme. Ao amin’ny taranja lomano kosa ahitana solotena roa dia i Holy Antsa Rabejaona sy i Jonathan Raharvel izany. Ankoatra ireo atleta ireo dia anisan’ny voaasa hanatrika ity lalao Olimpika ity ihany koa ny Filoham-pirenena mivady ary hiaraka amin’ireo Delegasiona maro izy ireo. Hotanterahina any Frantsa ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra moa ity lalao ity.

Lire la suite

Articles Similaires