• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lova Herizo Rajaobelina
Image
Vaovao

Moramanga : Tafatsangana ny CSB Communautaire

16/07/2024 14:10 © Moov

Noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ; tafatsangana ny tobim-pitsaboana fototra iombonana (CSB Communautaire) ao amin’ny fokontany Andakakely, Kaominina Antanandava ao Moramanga. Natolotra ny faran’ny herinandro teo izany.

Manala fahasahiranana

Nanamarika ireo solontenam-panjakana izay tonga tany an-toerana fa hanala ny fahasahiranan’ny mponina izany. « Mbola mandeha tongotra alavitra be ireto mponina aty ireto rehefa mila fitsaboana. Voavaha izany olana izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny rehetra sy ny fokonolona aty an-toerana », hoy ny Solombavambahoakan’ny Distrikan’ny Moramanga tany an-toerana, Lova Herizo Rajaobelina. Nandritra ny fanokafana io toeram-pitsaboana io ihany koa no nanolorana ny mpitsabo hiasa ao an-toerana. Niaraka tamin’izany ihany koa ny fanolorana fitaovana samihafa. Tao anatin’izany ohatra ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ity toerana ity. Teo ihany koa ny lelavola sy lamba ho an’ny fikambanam-behivavy ary fitaovana samihafa ho an’ny tanora amin’ny lafiny fanatanjahantena. Nahazo finday miisa 10 ireo sefo fokontany sy ireo lefitra.

CSB communautaire faha-25

Tafiditra ao anatin’ilay fanamby amin’ny fitsaboana manakaiky vahoaka ny fananganana ity toeram-pitsaboana ity. Raha ny antontan’isan’izy ireo dia CSB Communautaire faha-25 ao anatin’ny Distrikan’ny Moramanga ity natsangana ity. « Fanombohana ihany izao nataon’ny mponina teto Andakakely izao fa mbola hitohy ihany koa ireo ezaka mba hahazoana Hôpitaly manara-penitra », hoy ny Ben’ny Tanàna. Raha ny vinavinan’ny Fanjakana rahateo dia tokony hananganana izany toerana izany avokoa isaky ny fokontany. Hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fitsaboana manaikaiky vahoaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires