• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtefp
Image
Vaovao

Fankalazana : Mahajanga no mandray ny andro maneran-tany ho an'ny fahaiza-manaon'ny Tanora andiany faharoa

16/07/2024 11:10 © Moov

Manana tanora manana ny maha-izy azy maro isika eto Madagasikara.

Raha ny tatitra farany dia aman’aliny hatrany ireo tanora no manatona ireny toerana fitadiavana asa ireny. Mila tohana anefa izy ireo mba hahafahany mampandroso ny tenany sy mitondra izany ho an’ny firenena rehefa tsy mahita asa. Izany no nivoitra nandritra ny fanombohana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahaiza-manaon'ny Tanora andiany faharoa tany Mahajanga omaly. Mitohy amin’ity anio ity izany fankalazana izany.

Fampiofanana sy fampianarana

Mila fanohanana ny tanora Malagasy eny amin’ny tontolo ambanivohitra.Asa tohivakana ihany koa ny fampiofanana sy ny fampanan'asa mendrika. Ezaka maro no entin’ny fitondram-panjakana Malagasy ao anatin’izany, hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, izay tompon’antoka tamin’ny hetsika. Marihina moa fa eo ambany fiahian’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, ny Ministry ny asa sy ny Fampanan’asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny DG PI OIT, ny Governoran’ny Faritra Boeny ity hetsika ity. Manamafy ny andry telo napetraky ny Filoha dia ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana iany. Ilaina araka izany ny fifanomezan-tanana sy fifanohanana ho fanampiana ny tanora Malagasy.

Fampitoviana ny tanora rehetra

“ Manangana ho an’ny tontolon’ny asa mitovy sy mampiaty, indrindra ho an’ny tanora eny Ambanivohitra, miantoka ny filaminana, maha-olom-pirenena sy fampandrosoana lovain-jafy” io ny lohahevitra nentina nankalazana ity hetsika ity. Miompana betsaka amin’ny fampitoviana ny tanora rehetra manerana ny Nosy izany. Araka izany dia hetsika maro isan-karazany no nentina nankalazana izany. Betsaka ireo famelabelaran-kevitra natao nandritra izany hanolorana torohevitra sy hanampiana ireo tanora samihafa. Anisan’ny lohahevitra noresahina ny momba ny nomerika, tontolo famokarana any ambany vohitra, ny lafiny fanjonoana, ary ihany koa ny famokarana maitso. Etsy andaniny dia afaka misitraka hetsika ara-pahasalamana, amin’ireo torohevitra rehetra sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana ihany ko aizy ireo. Nahomby ihany koa ny hetsika tamin’ny andro volaohany omaly raha ny lafiny fahamaroan’ireo tanora tonga mitsidika ny fampirantiana sy manaraka ireo famelabelaran-kevitra no jerena.

Lire la suite

Articles Similaires