• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagascar
Image
Vaovao

Fotoan’ny fialan-tsasatra : Mihazo ny RN4 sy RN6 no mbola betsaka amin’izao fotoana izao

16/07/2024 10:05 © Moov

Efa ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra amin’izao fotoana izao ny eto Madagasikara na dia mbola handalo ny fanadinam-panjakana farany aza. Amin’izao fanombohany izao dia mbola ny miankandrefana any Mahajanga (RN4) sy ireo mianavatra makany Antsiranana (RN6) iny no betsaka.

Vitsy ireo misafidy an’ny Toamasina

Tsy anisan’ireo toerana nahaliana ny mpiala sasatra ny faritanin’i Toamasina raha ny tamin’ity taona ity noho ny fahasimban'ny lalana, araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Toeram-piantsonana Maki Andohatapenaka. « Ireo fiara mandeha any amin’ny RN4 sy RN6 amin’izao fotoana izao no tena mahafeno fiara betsaka hatrany. Misy ihany ireo mandeha any Toamasina mihazo ny RN2 fa tena vitsy raha oharina amin’ny isan-taona », hoy ny fanazavan’ny Filoha Lefitry ny Koperativa eo amin’ny Maki, Ratsimbanirina Mamitiana. Raha tsiahivina anefa dia misy ireo toerana vaovao izay vao notokanana ao amin’io renivohitry ny faritra Atsinanana io toy ny Miami Toamasina. Amin’izao fotoana izao dia mbola azo lazaina ho vitsy ireo mpandeha any amin’iny toerana iny.

Tsy nisy fiakarana ny saran-dalana

Anisan’ny mahagaga ny mpandeha hatrany ny fiakaran’ny saran-dalana rehefa fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Nanome toky anefa ireo ao amin’ny Toeram-piantsonana Maki fa tsy mbola misy izany fiakarana saran-dalana izany. « Fampiharana ny saran-dalana efa mahazatra rehefa fotoana be olona toy izao no hatao. Efa misoratra ety amin’ny tobim-piantsonana fa misy ny saran-dalana « haute saison » sy « basse saison » ka ny fampiharana izay fotsiny ihany no hatao amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny fanazavana. Ohatra amin’izany ny saran-dalana mankany Mahajanga izay 60 000 ariary amin’izao fotoana izao. Miverina 50 000 ariary izany rehefa tapitra ny fotoam-pialan-tsasatra.

Simba ny lalana

Anisan’ny manakana ny mpiala sasatra ihany koa amin’izao fotoana ny faharatsian’ny lalana. Mampijaly ny mpamily fiara fitateram-bahoaka ihany koa izany. Ahitana izany fahasimbana izany avokoa ireo lalana rehetra, raha tsy hiteny afa-tsy ny eny amin’ny RN2 izay eo akaikin’ny Brickaville. Eo ihany koa ny eo amin’ny RN4, manomboka eo Andranomamy ary ny eny amin’ny RN6 izay manomboka eo Antsohihy hatrany Ambanja. Misy fiantraikany amin’ny fikojakojana fiara izany ka mangataka ny hijerena izany ireo mpamily ireo.

Lire la suite

Articles Similaires