• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar-Tribune
Image
Vaovao

Minisitra Ravokatra Fidiniavo : « Hamafisina ny fisorohana ny lesoka niseho tamin’ny fanadinana BAC 2023 »

15/07/2024 16:37 © Moov

Hosorohina ny lesoka izay efa niseho tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea tamin’ny taon-dasa, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), mpisolo toerana, Fidiniavo Ravokatra. Raha tsiahivina dia ny fanadinana tao anatin’ny fampiasana labozia no nanamarika izany noho ny olana teo amin’ny fiparitahan’ny laza adina.

Hanamafy ny fitandroana ny fahalemana ny MESUPRES. Ho hita izany na eo amin’ny laza adina na eo amin’ny foibem-panadinana.

Hiara-hiasa amin’ny Ministera hafa

« Tsy maintsy atao ny ezaka rehetra hisorohana ireny zava-nitranga tamin’ny taon-dasa ireny. Nisy ny fanovana natao tamin’ity taona ity. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo Ministera hafa mba hitandroana ny fahalemana », hoy ity Minisitra mpisolo toerana ity. Fomba fiasa vaovao izany nohazavainy izany. Hitovy avokoa araka izany ny fomba fiasa na eto Antananarivo izany na any amin’ny faritra. Nanentana ny tompon’andraikitra rehetra ihany koa ny tenany amin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra sy ny andraikitra rehetra mifanaraka amin’izany. Raha tsiahivina dia ny alatsinainy izao no hanomboka ity fanadinam-panjakana lehibe fahatelo ity manerana ny lafy valon’ny Nosy.

Efa vita avokoa ny fandaminana

Raha ny fanazavana avy amin’ny MESUPRES hatrany dia efa vita avokoa ny fiomanana ara-pitaovana sy ny ivontoeram-panadianana ho an’ny mpiadina. Nilamina izany fandaminana izany. « Fanamby lehibe ny hitohizan’izany filaminana sy firindrana izany amin’ity herinandro ity sy mandritra ny fe-potoam-panadinana rehetra », hoy hatrany ny Minisitra. Hanomboka ny 22 jolay izao ity fanadinana ity ary tsy hifarana raha tsy ny voalohan’ny volana aogositra ho an’ny tapany faharoa amin’ny bakalorea Teknika. Tsiahivina fa miisa 215.630 ireto mpiadina ireto tamin’ity taona ity. Miisa 207.097 ireo kandidà avy amin’ny fampianarana ankapobeny. Miisa 11.041 kosa ireo avy amin’ny fampianarana matihanina sy teknika ary 221 avy amin’ny fampianarana teknolojika.

Lire la suite

Articles Similaires