• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fikajiana ny rohivoary : Nametrahana vatohara voatr’olombelona tao amin’ny Faritra Arovana Soariake

15/07/2024 15:24 © Moov.Mg

Ho famerenana amin’ny laoniny ny rohivoahary an-dranomasina ao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Soariake, dia napetraka tany an-toerana ireo vatohara (corail) voatr'olombelona.

Miaina tsindry

Manodidina ny 2 000 km2 ny velarana ahitana vatohara eto Madagasikara, miainga any Antsiranana ka hatrany Toliara, ho an’ny ilany andrefana, ary avy eo Cap d’Ambre mankany Toamasina, ho an’ny ilany Atsinanana. Fonenan’ny hazan-dranomasina izy ireny, toerana fanatodizan’ny ankamaroan’izy ireo ihany koa. Tsy vitan’izay fa miaro ny sisin-tany amin’ny herin’ny ranomasina ny vatohara. Araka izany, miantoka tanteraka ny fiharian’ny mponina amorontsiraka izy ireny, satria miankina amin’ny fahasalaman’izy ireo ny fahalavorarian’ny jono, izay foto-piveloman’ireo mponina ireo. Maro ny tsindry mihatra amin’ny vatohara ary ny tena loza mitatao ho azy dia ny fanjonoana tafahoatra sy ny fandotoana ny ranomasina izay ataon’ny olombelona. Isan’ny simba, vokatr’ireo tsindry mahazo azy, ny vatohara ao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Soariake ao Salary Nord 1, Kaominina Ambanivohitra Tsifota, Distrikan’i Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana.

Jono maharitra

Ho famerenana amin’ny laoniny ireo rohivoahary an-dranomasina, dia nitohy ny ezaka efa natombok’ireo vondron’olona ifotony, ho fametrahana ireo vatohara voatr'olombelona tao amin’ny AMP Soariake. Mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny jono maharitra miankina amin'ny vatohara ihany koa izany, ka tranom-pia miisa 21 sy tranon’orita miisa 300 no napetraka tao anatin’ny Faritra Arovana an-dranomasin’i Soariake. Nitondra tan-tsoroka ho fanatanterahana izany ny fikambanana VOIZO Madagascar sy ny Wildlife Conservation Society (WCS), teo ambany fitarihana ara-teknikan’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Atsimo Andrefana.

Lire la suite

Articles Similaires