• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Photo Archive Apipa
Image
Vaovao

Fanotofana tany tsy ara-dalana : Fiarabe mpitatitra tany miisa efatra nogiazana

15/07/2024 15:47 © Moov

Kamiao mpitatitra tany miisa 4 indray no nogiazan’ny Autorite pour la Protection Contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo (APIPA) ny herinandro lasa teo. Tratra nanao fanotofana tany tsy ara-dalana teny amin’iny faritry ny lalam-pirenena faha-fito (RN7) iny ireto fiara ireto. Ny alarobia sy alakamisy teo no nahatrarana ireto farany ireto.

Fiaran’olon-tsotra tsy manana fahazoan-dalana

Raha ny tatitra avy ao amin’ny APIPA dia ny 70% tamin’ireo fiara be tratra ireo dia an’olon-tsotra avokoa. Nanamarika ihany koa izy ireo fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana tamin’izany fanotofana tany izany akory. Etsy andaniny dia mbola tsy nanana taratasy ihany koa ireo fiara izay nentin’izy ireo. Nihatra tamin’izy ireo avy hatrany ny sazy voalohany indrindra. Nampidirina ambalam-pamonjana ireo fiara miandry ny fanadihadiana. Raha tsiahivina dia volana maromaro izay no nisy ny fanapahan-kevitra nandritra ny Filan-kevitry ny Governemanta ny amin’ny fampiatoana ny fanotofana tany. Natao izany mba hisorohana ny tondra-drano eto Antananarivo sy ny manodidina rehefa fotoam-pahavaratra. « Araka izany dia tafiditra ao anatin’ny fandikana didim-panjakana ireo olona rehetra mbola minia manao izany fanotofana tany izany », hoy ny solontena avy ao amin’ny APIPA. Marihina moa fa anjara asan’ny APIPA ny manara-maso ireny hetsika ireny ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Kaominina 54 no voakasiky ny fandrarana

Kaominina miisa 54 eto Antananarivo sy ny manodidina no voaray ao anatin’io didim-panjakana io. Ao anatin’izany ohatra ny Kaominina Alasora, Ambohimangakely, Ambohimanambola, Antananarivo Renivohitra, Tanjombato sy ireo hafa rehetra manodidina. Araka izany dia iharan’ny sazy avokoa izay rehetra tratra amin’ireo toerana ireo. « Tafiditra ao anatin’izany sazy izany ny fanagiazana ireo fiara miampy ny fandoavana lamandy. Aorian’izany raha tsy manaiky ilay tompon’ny fiara dia mety ho tonga hatramin’ny famarotana ilay fiara ny sazy mihatra », hoy hatrany ny fanazavana. Amin’izao fotoana izao dia manaraka ny fanadihadiana ireo fiara ireo mba hikarohana ny tompony. Etsy andaniny, miasa andro aman’alina ny « Police de l’aménagement du territoire sy ny police des remblais » manao ny fitsirihana amin’ireny toerana ireny.

Lire la suite

Articles Similaires