• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

Lemak’Antananarivo : Mitohy ny fanadiovana ny lakan-drano, ho fiomanana amin’ny fampidiran-drano

15/07/2024 15:45 © Moov.Mg

Androany no tapaka fa hosokafana ny fampidiran-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo. Mialoha ny androany dia efa nanomboka ny fanadiovana nataon’ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fisorohana ny tondra-drano eny amin'ny lemak'Antananarivo (APIPA) ary mbola mitohy.

Rano ho an’ny lemaka rehetra

Anjara asan’ny APIPA ny mikojakoja ny lakan-drano mamakivavy ny lemak’Antananarivo, ka tanjona amin’izany ny hampikoriana tsara ny rano, amin’izay mba mahazo rano daholo ireo lemaka fambolena rehetra manerana an’Antananarivo. Izany ihany koa no natao dia mba ho fiarovana amin’ny tondra-drano, satria raha tsy voakojakoja ny lakan-drano dia ho tsentsina ary hiakatra ny rano eny amin’ny faritra iva sy ny lemaka. Mety hiantraika amin’ny fiakaran’ny vokatra ny fahatsentsenan’io lakan-drano io, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado. Voakasiky ny asa fanadiovana ny lemak’Antananarivo amin’ny ankapobeny, voafaritra ao anatin’ny antsoina hoe : « Grand Tanà ». Fitaovana vaovao, izay vao azo tamin’ity taona ity, no anatontosan’ny APIPA ny asa.

Fampitomboana ny vokatra

Rakotra tsikafona sy fako ireo lakan-drano eto Antananarivo, ka somary mafimafy ny asa fanadiovana. Isan’ny dingana efa nataon’ny APIPA ny fametrahana ny tsato-kazo teny amin'ny ranon'i Tanjombato, manandrify an’Ankeniheny. Napetraka ireo tsato-kazo ireo mba hitazonana ny fako tsy handeha, fa ihany koa mba hanangonana ny rano hiakatrakatra kely, ka hahafahana manondraka ny lemak'i Betsimitatatra sy ireo lemaka hafa. Misy refy takiana mantsy, mba hahatanteraka izany fanondrahana izany. Ny asa fanadiovana lakan-drano sy fampidiran-drano amin’ny lemak’Antananarivo moa no natao dia mba ahafahan'ny mponina misitraka rivotra madio sy ahafahan'ireo tantsaha mampitombo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Lire la suite

Articles Similaires