• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Vaovao

Forum Mini Basket : Ankizy latsaky ny 12 taona miisa 400 hampiofanina momba ny Basket

15/07/2024 14:10 © Moov

Tanterahina androany hatramin’ny 18 jolay izao eo ivelan’ny Kianja Barea Mahamasina ny Forum Mini Basket eto amin’ny faritanin’ny Afrika. Ankizy, lahy sy vavy, latsaky ny 12 taona miisa 400 no andrasana amin’izany.

Fampianarana sy fampandrosoana

Natokana ho an’ireo ankizy latsaky ny 12 taona ity fotoana iray lehibe ity. Miisa 400 izy ireo no andrasana eto Antananarivo mandritra ireo efatra andro ireo. Fotoana iray hihaonan’ireo ankizy kely izy io. Fotoana iray ihany koa hampiofanana sy hampianarana azy ireo ny tontolon’ny Basket. Eny an-kianja avy hatrany izany fampiofanana izany no ho tanterahina. « Fampandrosoana ny taranja Basket sy fampahafantarana bebe kokoa ny momba ny Mini Basket eto Madagasikara no tena tanjon’ity Forum ity », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Basket Ball (FMBB). Marihina fa misy solontena avokoa ny faritra 22 manerana ny Nosy sy ireo Ligy rehetra. Ireo eto Antananarivo kosa no maro an’isa noho ity fivoriana lehibe ity tanterahina eto. Raha tsiahivina, ny Mini-Basket dia tsy fihaonamben’ireo mpilalao Basket latsaky ny 12 taona na ny U12 fa foto-kevitra hafa mihitsy. Miompana kokoa amin’ny fampidirana ao an-tsain’ny ankizy ny atao hoe Basket ity foto-kevitra ity. Tsy voatery ireo izay efa manana fahalalana amin’ny Taranja Basket ihany araka izany no mandray anjara amin’ity Forum ity.

Mpanazatra miisa 70

Ankoatra ny fampiofanana ny ankizy dia anisan’ny mivaingana amin’ity Forum ity ihany koa ny fampiofanana ireo mpanazatra. Teknisianina Malagasy sy vahiny miisa 70 no hampitombo fahalalana mandritra ireo efatra andro ireo. Hiompana betsaka amin’ny sehatry ny Mini-Basket mihitsy izany fampiofanana izany. Fampiofanana an-tsoratra no hatolotra azy ireo, tsy hitovy amin’ny fomba fampianarana ireo ankizy kely. Teknisianina maro avy amin’ny firenena Afrikanina miisa 15 ihany koa no handrafitra ireo hofanina ireo. Marihina moa fa hiarahan’ny FMBB mikarakara amin’ny Federasiona Afrikanina ny Basket (FIBA) ity fotoana lehibe ho an’ny ankizy kely ity.

Lire la suite

Articles Similaires