• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freedom
Image
Vaovao

Tarika Vetso : Mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 niangaliana ny kalon’ny fahiny

15/07/2024 12:00 © Moov.Mg

Mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 niforonany ny tarika Vetso. Tao Saint-Denis La Réunion no niforonany, tamin’ny taona 1998, ary Malagasy mpankafy ny kalon’ny fahiny no niara-nanangana azy. Fampisehoana maromaro, ao La Réunion, no entin’izy ireo manamarika ity tsingerin-taona ity.

Hira teatraly

Amin’ny teny malagasy ny teny hoe « Vetso » dia midika ho : faniriana, miloatra avy ao am-po. Fa ny VETSO ihany koa, izay anaran’ity tarika ity, dia fanafohezana ny hoe : « Variétés Évoquant les Traditions et Sonorités de l’Océan indien ». Araka izany, ny hira nentim-paharazana no tena manavanana azy. Manodidina ny 15 isan’ny mpikambana ao anatin’ny tarika Vetso ary tamin’ny taona 1999 no nanatontosan’izy ireo fampisehoana an-tsehatra voalohany tao La Réunion. « Hira teatraly », izay tafiditra ao anatin’ny sokajy « kalon’ny fahiny », no iangalian’izy ireo, tao anatin’ny 25 taona nijoroany, izay karazan-kira mampiavaka an’Imerina. Ankoatra an’i La Réunion, dia efa nanatanterahan’izy ireo fampisehoana ihany koa teto Antananarivo, tany Parisy, tany Stuttgart any Alemaina ary indrindra, ny tany New York tamin’ny taona 2017, izay isan’ny tena nanamarika ny tarika. « Tao amin’ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana izahay no nanao fampisehoana, sady nanantena fa mba ho tafiditra ho isan’ny « harentsaina ho an'ny zanak'olombelona » (Patrimoine Culturel de l'Humanité) ity gadon-kira mampiavaka ny Nosintsika ity, satria mendrika azy izany », hoy i Claudette Vabois Andriamady, isan’ny mpanorina ny tarika.

Dinam-pitia

Fampisehana maromaro ao La Réunion no entin’ny tarika Vetso mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 niforonany. Ny sabotsy lasa teo izao dia tany Bras-Panon, any amin’ny morontsiraka atsinanan’i La Réunion, no nanatanterahan’izy ireo fampisehoana, nampitondraina ny lohateny hoe : « Dinam-pitia ». Pana Reeve, mpanao gazety sady mpanakanto no nanoratra sy nandritra an-tsehatra izany. Fifangaroana zava-kanto maromaro ny « Dinam-pitia », ka samy mandravaka azy avokoa ny tantara tsangana, ny kabary ary ny mozika. Mitantara ny fizotran’ny fifamofoana ara-pomba malagasy ny vontoatiny. Nadika tamin’ny teny frantsay kosaa ireo resaka, miharo ohabolana sy oha-pitenena isan-karazany, mba ho azon’ireo mpijery tsy mahazo teny malagasy izany, ka nahafahan’izy ireo nianoka tanteraka ny fampisehoana. Raha ny nambaran-dRandrianarivonintsoa Olivah, filohan’ny Vetso, dia nankafizin’ny maro hatrany ity seho sehatra ity, hatramin’ny taona 2008 nitondrana azy antsehatra. Nampandraisina anjara tao anatin’ny fampisehoana rahateo ny mpijery, ka nozaraina roa izy ireo : ny an-daniny, natao fianakavian-drazazalahy mpangata-bady ary ny an-kilany, natao fianakavian-drazazavavy hampakarina.

Lire la suite

Articles Similaires