• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Facebook
Image
Vaovao

Fitaterana : Olona miisa 11 namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Antsalova

15/07/2024 11:05 © Moov

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tao Antsalova, Distrikan’ny Maintirano ny sabotsy maraina lasa teo. Olona miisa 11 no namoy ny ainy tamin’izany ary 12 hafa naratra mafy. Zaza amam-behivavy ny 5 tamin’ireo ary lehilahy sy zatovolahy kosa ny 6 tamin’ireo namoy ny ainy ireo.

Mpitrandraka vato

Nivadika ny fiarabe marika « tata » mitondra vato avy amin’ny toeram-pitrandrahana any Mangaroa ao amin’ny Distrikan’ny Maintirano. Nitondra vato antsoina hoe « agathe » manodidina ny 5 taonina io fiara be io. Raha ny fanazavana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena dia efa mahazatra ireto mpitrandraka vato ireto ny mampiasa itony fiarabe itony rehefa tsy misy ny « taxi-brousse ». Samy miaraka amin’izay fiara mpitatitra ny vato azony ireo mpitrandraka rehefa fotoana toy izao. Nandalo tamina tetezana ilay fiara ka latsaka ny kodiarana aoriana havanana ka izay no heverina nampivadika ity fiarabe ity, raha ny fanazavana. Vokatr’izany dia voatsindrin’ireo entana sy vato tamin’ny gony ireo mpandeha. Izany no nitarika ireto fahamoizana ain’olona ampolony ireto. Avotra kosa ireo 12 ambiny na dia naratra mafy ihany koa aza izy ireo. Tsiahivina fa tany amin’iny lalam-pirenena faha-8A any Antsalova izay ao anatin’ny Distrikan’ny Maintirano no nitrangan’izany loza izany. Niezaka niantso vonjy ireo mpandeha ka tafavoaka tsirairay avokoa saingy nisy ireo namoy ny ainy ireo.

Mpihavana avokoa

Raha ny fanampim-baovao dia voamarina fa mpihavana avokoa ireo olona niaraka ireo. Mitrandraka vato no anton’asan’izy ireo ary miaraka mivarotra izany indray rehefa mahazo. Izy ireo nihazo an’ny Tsiroanomandidy no nisehoan’ity loza ity. Amin’ny ankapobeny anefa raha ny fanazavana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena dia ara-dalana ny vesatra noentin’ilay fiara be. Olana teo amin’ny familiana no mety niteraka ny loza. Raha ny fanazavana hatrany dia efa notanan’ny Zandarimariam-pirenena ao Maintirano natao famotorana ny mpamily ilay fiara be amin’izao fotoana izao. Raha ny vaovao voaray tany an-toerana ihany koa dia efa andalana mihazo an’ny Maintirano ny razana amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires