• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Soja T Lahimaro
Image
Vaovao

Faritra Androy : Nametra-pialana tsy ho Governora intsony i Soja Lahimaro

15/07/2024 09:38 © Moov

Tamin’ny alalan’ny taratasy niantefa tamin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ny zoma lasa teo no nametrahan’ny Governoran’ny Faritra Androy ny fialany. Nametra-pialana tsy ho Governoran’io faritra io intsony i Soja Lahimaro Tsimandilatse.

Antony manokana sy ara-pianakaviana

« Amin’ny alalan’ity taratasy ity no hametrahako ny fialana amin’ny maha Governoran’ny Faritra Androy ahy ary izany dia noho ny antony manokana sy ara-pianakaviana », izany no votoatin’izany taratasy izany, izay niparitaka tao anatin’ny tambazotran-tserasera. Tsy nisy fanazavana manokana na fanampim-panazavana fa nilaza kosa ny tenany fa vonona ny hanasoa ny faritra hatrany. Ny antso an-telefaonina kosa no nanamarihany fa efa 5 taona, izay fe-potoana nitondrany no tsy teo anilan’ny fianakaviany izy. « Hanova ny lalana hitondrako ny fiainako aho mba hanakaiky kokoa ny fianakaviako indray », hoy ity Governora teo aloha ity. Araka izany, tao anatin’izany taratasy izany no nilazany fa tsy hametra-pialana ny tenany fa hiala amin’io asa io fotsiny ihany.

Hanohy ny fampandrosoana an’ny Androy

Voalazany tao anatin’izany taratasy izany ny fitokisan’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miasa rehetra nandritra ny nitondrany teo. Izany no nahavitana ny fotodrafitr’asa sy ireo zava-nisy isan-karazany ao an-toerana. Araka izany dia mbola vonona hatrany ny tenany hanampy sy hifanohana na dia tsy mitana io anjara toerana io intsony aza. Tao anatin’io taratasy io ihany koa no nampidirany ny momba ny sehatra iraisam-pirenena. Voalazany tamin’izany fa afaka hamela azy handray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ny faritra sy i Madagasikara io fahaizany eo amin’ny tontolon’ny iraisam-pirenena io. « Afaka hampiasaiko hampandrosoana ny faritra sy i Madagasikara io fahaizana ananako io. Hampitombo ny fifandraisantsika amin’ny iraisam-pirenena izany », hoy hatrany ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires