• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 8 hatramin'ny 14 jolay 2024

15/07/2024 00:10 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 8 hatramin'ny alahady 14 jolay 2024.

Antenimierampirenena – Justin Tokely no PAN vaovao

Lanin’ireo solombavambahoaka miisa 160 tonga nivory teny Tsimbazaza fa i Justin Tokely no filohan’ny Antenimierampirenena (Président de l’Assemblée Nationale/ PAN). Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Sambava ny tenany sady efa nitana andraikitra ambony maro teto amin'ny firenena : Tale Jeneralin’ny INDDL ny taona 2018 # 2019 ; Governora ny Faritra SAVA ny taona 2019 # 2022 ; Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjara-pahefana ny taona 2022# 2024 ; Minisitry ny Atitany ny Janoary 2024-mey 2024. Nanome toky i Justin Tokely fa tsy hisy ho tapenam-bava sy fanavakavahana eo anivon'ny Antenimierampirenena.
Nandritra ny fivoriambe moa dia notanterahina ihany koa ny fifidianana ireo mpikamban'ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena. Tafiditra ao anatin'izany ny Filoha lefitra isaky ny faritany sy ny kestora. Misy filoha lefitra voatokana ho an'ny mpanohitra ihany koa, ka i Siteny Randrianasoloniaiko no mpitarika amin'izany.

Antenimierampirenena – Lasa 100 ireo depiote IRMAR

Miisa 84 ireo Solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRMAR. Lasa 100 nefa izy ireo ankehitriny satria nisy depiote tsy miankina miisa 16 nisafidy ny hanohana ny fitondrana. Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Iavoloha, efa mpanohana ny fitondrana ihany izy ireo fa tsy afaka nilatsaka tamin’ny anaran’ny IRMAR fotsiny noho ny efa fisian’ny kandida ofisialy. Araka izany, 63 sisa ireo depiote tsy miankina mivantana amin’ny Fanjakana, ka ao ireo mpanohitra sy ireo mahaleotena misafidy ny tsy hiditra antoko politika mihitsy.

Governemanta # Voatazon'i Christian Ntsay hatrany ny toerany

Ny zoma 12 jolay lasa teo no nanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny anaran'ny Lehiben'ny Governemanta. Taorian'ny fametrahana ireo mpikamban'ny biraon'ny Antenimierampirenena, nametra-pialana ny Governemanta amperin'asa. Nisy anarana telo natolotry ny Solombavambahoaka IRMAR, maro an'isa eo anivon'ny Antenimierampirenena, ny filoham-pirenena. Voatendry ho Praiminisitra indray i Christian Ntsay,hanohy hatrany ny asa fampandrosoana izay efa natomboka. Nanambara ny filoham-pirenena fa ho afainganina ny asa rehetra izay mbola miandry. Tsy irotorotoana kosa ny fanendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Samy mbola hiasa hanohy ny fampandehanan-draharaha ireo Minisitra tsirairay, na dia efa nametra-pialana aza.

BEPC # 87,5% ny taham-pahafahana tao amin'ny AKAMA

Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana BEPC manerana an'i Madagasikara. Ny talata 11 jolay no nivoaka ny vokatra ho an'Antananarivo Renivohitra. Ho an'ny Akanin'ny Marenina 67ha (AKAMA) dia 14 no afa-panadinana tamin'ireo mpiadina 16.87,5% izany no taham-pahafahana. Raha ny tamin'ny taona lasa dia iray ihany no tsy afa-panadinana ka 91% ny taham-pahafahana. Azo lazaina fa tsara hatrany nefa ny vokatra, satria ankizy manana fahasembanana ireo miatrika fanadinana, sady mitovy amin'ny an'ny besinimaro ihany ny laza adina. Mitontaly 53 moa ireo ankizy manana fahasembanana niatrika ny BEPC manerana an'i Madagasikara.

UNFPA – Nahazo mari-pankasitrahana ny filoham-pirenena

Ny 11 jolay lasa teo no nanolorana tamin'ny fomba ofisialy androany ny tatitry ny UNFPA momba ny toe-piainan'ny mponina maneran-tany 2024 ho an'i Madagasikara, Nosy Maorisy, Comores ary Seychelles. Nahitana fandrosoana misongadina teo amin’ny fisitrahan’ny mponina ireo tolotra ara-pahasalamana samihafa sy ara-pananahana, indrindra eo amin’ny fandrindram-piterahana i Madagasikara tao anatin'ny telopolo taona. Raha 5% mantsy ny taha-pisitrahana sy fampiasan'ny mponina ireo fitaovana fandrindram-piterahana dia tafiakatra 43% izany ankehitriny noho ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka. Izany vokatra tsara izany indrindra no naloloran'ny UNFPA miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena mari-pankasitrahana ho an'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Sosialy # Hamafisina ny fanentanana mikasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana

Rehefa maro tsinona ny zaza dia lasa tsizarizary avokoa na ny fitaizana, na ny fahasalamana na ny fampianarana azy ireo, araka ny hevitry ny filoham-pirenena. Isan-jaza mifandanja amin'ny enti-manana no tanjona, mba tsy hisy tombo sy ala ny anjaran'izy ireo amin'ny filany fototra. Izany indrindra no nanatanterahana ny fihaonambe nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny 12 sy 13 jolay lasa teo. Nifampidinihana ireo paikady mahomby hampitana torohay momba ny fanabeazana aizana sy tohana samihafa ilain'ny isan-tokantrano ho an'ny fandrindrana ny isan-jaza. Tanjona apetraka ny hanatrarana ny mpisitraka izany hatramin'ny 5,1 tapitrisa manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2028.

CUA # Tranomboky vaovao eto Antananarivo

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 11 jolay lasa teo ny tranomboky monisipaly (bibliothèque municipale) vaovao eny amin'ny fokotany Antohomadinika IIIG Hangar sy Andohotapenaka II .
Zava-dehibe ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny manolotra izany mba ho fanovozam-pahalalana ho an'ireo mponina amin'ny alalan'ireo karazana boky, indrindra ho an'ny mpianatra, amin'ny sokajy rehetra. Azo andraisana hetsika ara-kolotsaina sy ara-java-kanto koa izany toerana izany. Maimaimpoana moa ny fidirana amin'irony tranomboky irony, saingy mila mitondra karatra fanamarinana, toy ny karatra maha-mpianatra.

Sainte-Marie Ankobahoba # Fanarahamaso ireo fambolena lomotra

Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ny vokatra azo ary mampiasa olona mivantana sy ankoloka manodidina ny arivo. Mapidi-bola eo amin’ny Ar 1,5 ka hatramin’ny Ar2 tapitrisa isam-bolana ny fambolena lomotra any Sainte Marie. Raha tsiahivina dia Orinasa Mpamboly lomotra telo any an-toerana, dia ny Madalague, ny SOVALG ary ny Nosy Boraha Seaweed na NBS.
Nanao ny fanarahamaso rehetra ny fambolena lomotra izay ataon’ireo Orinasa telo eto antoerana ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Nanamafy io tompon'andraikitra io fa mila fazotoana ity asa ity satria mila fikarakarana isanandro toy ny fanesorana ireo lomotra ratsy. Nanome ireo toromarika samihafa ny tenany hanatsarana hatrany ity sehatr’asa ity.

Sainte-Marie # Festival des Baleines 2024

Ny sabotsy 13 jolay lasa teo no nanokafana ny Festival des Baleines 2024. Misy ny "Village" izay andraisana ny hetsika ara-koltoraly isan-karazany, manoloana ny biraon'ny Office régional du Tourisme, eo amin'ny fidiran'ny Seranantsambo. Misy ny fampisehoana iarahana amin'ireo mpanakanto avy ao an-toerana, ny dihy nentin-drazana sy ny tantara tsangana tontosain'ireo mponina, ary koa fifaninanana hatsaran-tarehy. Ahitana tranoeva maro ihany koa ao amin'ilay "Village", izay ampirantiana ireo asa tanana miavaka ao Sainte-Marie. Amin'ny maha-Festival des baleines azy, misy ny fandaharam-potoana "Safari Baleines" izay andehanana sambo mba itazanana ireo trozona. Amin'ny alahady 21 jolay ho avy izao moa vao hifarana ny Festival des Baleines amin'ity taona ity.

APMF # Ampanarahina ny fenitra iraisam-pirenena ireo tantsambo malagasy

Miisa 11000 ireo tantsambo manerana an'i Madagasikara, ka ny 5000 amin'izy ireo no miasa amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Miroso amin'ny dingana hahafahana manatsara sy mampanaraka ny fenitra iraisam-pirenena azy ireo ny minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro, amin'ny alalan'ny APMF. Hisy araka izany ny "pièce d'identité des gens de mers" (PIM) izay ho zaraina amin'ireo tantsambo rehetra manerana ny Nosy. Isan'ny olana atrehan'ireo tantsambo maro ny tsy fahafahan'izy ireo miakatra an-tanety any amin'ny firenen-kafa noho ny tsy fananana io PIM io.

Lire la suite

Articles Similaires