• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Festival des Baleines 2024 : Mafana ny ambiansy ao Sainte-Marie

13/07/2024 16:15 © Moov

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany 13 jolay ny Festival des Baleines 2024. Manana 9 andro ireo mponina sy mpanao vakansy ao Sainte-Marie hisitrahana hetsika maro.

Marobe ireo mpizahatany sy malagasy avy amin'ny faritra samihafa eto Madagasikara no nisafidy ny hitsidika an'i Sainte-Marie amin'izao Festival des Baleines izao. Tsy vitsy ireo te hahita "Baleines à Bosse" eny an-dranomasina eny. Tsy adino nefa ireo fanentanana sy fialamboly isankarazany, ho an'ny sokajin-taona rehetra.

Safari Baleines

Ny fijerena ireo trozona no tena maha-izy azy ny "Festival des Baleines". Mitaingina sambo ireo mpijery ka manantona ireo fari-dranomasina tena ahitana Baleines. Misy Safari Baleines in-dimy, raha ny fandaharam-potoana napetraky ny mpikarakara : androany sabotsy 13 jolay, ny alahady 14 jolay, ny alarobia 17 jolay, ny sabotsy 20 jolay ary ny alahady 21 jolay. Ny "Cetamada" moa no mandray an-tanana manokana ireo mpandray anjara, mba hahitan'izy ireo Baleines soa aman-tsara.
Efa any Sainte-Marie ihany koa i Julien Lepers, ilay mpanentana ny fandaharana "Question pour un champion" teo aloha.Hisy ny "Quizz Baleine" izay hahazoana loka miavaka isan'andro, ny alatsinainy 15 jolay hatramin'ny zoma 19 jolay.

Kolontsaina, haitao, fanatanjahantena

Tsy ny fijerena Baleines ihany no atao mandritra ny Festival des Baleines. Misy ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto izay mampiavaka an'i Sainte-Marie. Misy ohatra ny fanatanjahantena tena ankafizin'ny besinimaro, dia ny beach soccer sy ny hazakazaka. Misy ihany koa ny varotra fampiratiana asa tanana eo amin'ny Village natokana ho an'ny hetsika, eo ivelan'ny Office du Tourisme Sainte-Marie Ambodifotatra, eo amin'ny fidirana mankany amin'ny seranantsambo.
Ny tolakandro teo dia nisy ny tantara an-tsehatra natolotr'ireo vondrom-behivavy isam-pokontany. Misy fandaharam-potoana ihany koa ho an'ireo tia mivoaka harivariva. Anisan'izany ny fampisehoana iarahana amin'ireo mpanakanto avy ao an-toerana, ny karaoke, ny fampisehoana dihy nentin-drazana sy ny fifaninana hatsaran-tarehy na "élection miss festival".

Lire la suite

Articles Similaires