• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fanendrena Praiminisitra : Ntsay Christian ihany no niantefan’ny safidin’ny Filoham-pirenena

12/07/2024 19:08 © Moov.Mg

Tsy nisy loatra ny tsy nampoizina. Maro ihany no efa niandry fa ho tafaverina ho Praiminisitra i Ntsay Christian, ho an’izao Governemanta vaovao vao hatsangana izao.

Nahafeno ny fepetra

Tsy niova, fa ireo efa notanisain’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, tamin’ny 4 janoary, fotoana nanendreny an’i Ntsay Christian ho Praiminisitra indray, taorian’ny nahalany azy hitondra fanindroany, no mbola mason-tsivana nambarany androany, fa antony nisafidianany izay Praiminisitra hiara-hiasa aminy : olom-pirenena vonona, vanona, manana traikefa mifanojo amin'ny andraikitra hotazoniny, mahafantatra an'i Madagasikara, afaka mitarika ny fahefana mpanatanteraka ary mahafehy ny ara-diplaomasia. Araka izany, mbola tafaverina ho filohan’ny fahefana mpanatanteraka indray i Ntsay Christian. Hatreto izany dia mbola izy hatrany no nahafeno ny fepetra, tamin’ireo anarana telo natolotry ny Solombavambahoaka maro an’isa. Dingana manaraka hirosoana ny fanendrena ireo minisitra, izay handrafitra ny Governemanta tarihin’i Ntsay Christian. Tsy hirotorotoana anefa izany, hoy ny filoha Andry Rajoelina, ary mbola handalo fanombanana eo aminy, ireo olona heverina fa hitarika ny ministera isan-tsokajiny ireo.

Vonona ny hifanome tanana

Talohan’ny namoahany ny anaran’ny Praiminisitra moa dia niarahaba sy nirary soa ireo Solombavambahoaka vao voafidy ny filohan’ny Repoblika. Nanamarika izy fa misy asa goavana andrasana amin’izy ireo, izay miantomboka amin’ny famolavolana ny teti-bola ho entina mampandroso ny Distrika nahavoafidy azy ireo tsirairay avy. Norariany soa manokana ihany koa ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Tokely Justin, izay voafidin’ireo Solombavambahoaka tonga nivory 100%. Ankoatra izay dia nanome toky ny Filoha fa vonona ny hifanome tanana amin’ireo depiote, ho fampandrosoana ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires