• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Sainte-Marie : Nosikelin'i Madagasikara tsy misy mpangataka sady tsy misy mpanendaka

12/07/2024 17:45 © Moov

Mahafinaritra ny fiainam-piarahamonina ao Sainte-Marie. Na maro aza ireo vahiny mpizahatany mivezivezy ao an-toerana, tsy misy velively ny mpangataka. Mandry fahalemana ihany koa io Nosikelin'i Madagasikara io satria tsy ahitana mpanendaka na mpangalatra firy any an-toerana.

Mponina mazoto sy mahay mitady vola

Tsy toy ny eto Antananarivo ny any Sainte-Marie. Tamàna tokoa ireo vahiny mpizahatany sy ireo malagasy mpanao vakansy satria tsy mba misy mpangataka eny an-dalana rehetra eny. Tsy midika izany hoe mpanefoefo avokoa ny mponina ao Sainte-Marie, saingy tsy tafiditra ao anatin'ny kolontsain'izy ireo ny "miandry mahazo". Maro tokoa ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana, saingy miasa sy miady mafy hatrany isan'andro. Ireo mipetraka amoron-dranomasina dia ny jono no tena ivelomana. Varotana avy eo ireo trondro azo. Maro ihany koa ireo asa mifandray amin'ny fizahantany, toy ny asa amina hotely sy ny varotra asa tanana isan-karazany na vokatra atao voandalana, ary koa fitarihan-dalana ireo mpizahatany. Tahaka ny tanàna rehetra ihany moa, maro ireo mpivarotra hani-masaka, enta-madinika, kojakoja an-dakozia, fitaovana fanamboaran-trano, friperie, sns. Maro amin'ireo lehilahy no mikarama amin'ny alalan'ny fitaterana olona amin'ny sambo, cyclo-pousse na bajaj.
Azo lazaina fa mazoto mandefa ny zanany mianatra ireo ray aman-dreny. Misy rahateo ny EPP, ny CEG sy ny lisem-panjakana ao an-toerana. Tsy adino ireo sekoly tsy miankina.

Mponina miray hina

"Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izay iray hamarara". Na dia mandry fahalemana aza ny tanàna dia misy ihany ireo alaim-panahy hanao asa ratsy. Azo isaina amin'ny ratsan-tanana nefa ireo olona sahy manao ratsy ao Sainte-Marie. Tsy maintsy tratra foana ireo olon-dratsy satria miray hina ny mponina, sady misy rahateo ny mpitandro ny filaminana. Vitsy dia vitsy ireo minia mandika lalàna, ka azo lazaina fa tena milamina raha ny ao amin'io Nosikelin'i Madagasikara io. Tsy atahorana mihitsy ny mandeha irery, na amina toerana somary mangingina aza. Raha eo Ambodifotatra manokana ohatra, renivohitr'i Sainte-Marie, misy olona mivezivezy amin'ny ora rehetra satria misy seranan-tsambo eo an-toerana.
Toerana azo ialana sasatra tsara i Sainte-Marie. Tsy be kotaba ny mponina sady sariaka ery. Tsy misy mandefa mozika mafy be ihany koa, tahaka ny mahazatra any amin'ny renivohi-paritany ivelan'Antananarivo maro. Ny feon'ny ranomasina mitopatopa no mandrotsirotsy amin'ny alina, ary ny feom-borona mankafy ny tontolo maitso no mamoha amin'ny maraina. Tsara ny manamarika fa tsy misy loatra ireo mpivarotra kitonotono eny amoron-dalana rehefa harivariva iny. Somary mitokana sady ivelan'ny tanàna mantsy ireo torapasika tena raitra. Misy kosa nefa ireo toerana azo ialana hetaheta sy anaovana karaoke ho an'ireo tia mandehandeha harivariva na alina.

Lire la suite

Articles Similaires