• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Biraon'Ny Kaominina Tolagnaro
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna : Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Governemanta amin’ny daty handatsaham-bato

12/07/2024 16:17 © Moov

Isan’ny andrasan’ny maro ny daty ofisialy hanatanterahana ny fifidiana ben’ny tanàna manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Raha ny tetiandro napetraky ny CENI dia tokony ho ny 6 novambra izao izany daty izany. Miandry ny fanapahan-kevitry ny Governemanta araka izany amin’ny didy mamaritra izany.

Tokony hivoaka ny 6 aogositra

Raha araka ny lalàna dia tokony manana 90 andro farafahatarany ny rehetra hanomanana ny fifidianana. Araka izany, raha raisina ity 6 novambra ity dia tokony hivoaka fara-fahatarany ny 6 aogositra ho avy izao io didim-panjakana mamaritra ny daty hanatanterahana ny latsa-bato io. « Efa tonga eny amin’ny Governemanta ny tetiandro navoaka fa izy ireo ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany. Irariana hivoaka amin’io 6 aogositra io mba hahafahana manomana ny fifidianana », hoy Soava Andriamarotafika, Mpampakateny eo anivon’ny CENI. Ankoatra izany didim-panjakana izany dia tokony hivoaka hiaraka amin’io ihany koa ny antom-bola (caution) amin’ity fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ity. Raha tsiahivina dia tsy nanova io « caution » io ny avy ao amin’ny CENI saingy mbola anjaran’ny Fitondram-panjakana hatrany no manapa-kevitra amin’izany. Etsy andaniny dia tokony efa nanomboka ny 8 jolay teo ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’izay hilatsaka ho fidiana. Mihemotra avokoa izany rehetra izany ary miandry ny fanapahan-kevitra farany.

Sarotsarotra ny fanomanana

Mila maka fotoana lavalava kokoa noho ny fanomanana ireo fifidianana lasa rehetra teo aloha ny CENI satria sarotsarotra ny fanomanana hoy hatrany izy ireo. « Inoana fa ho tsapan’ny Governemanta izany fahasarotana izany ka hamoaka io tetiandro io haingana izy ireo. Io fahasarotana io ihany koa no antony nametrahana ny tetiandro aloha be », hoy hatrany ity mpampaka-tenin’ny CENI ity. Ny mikasika ny fikarakarana sy fanontana ny bileta tokana no tena sarotra indrindra raha ny fanazavana. Isaky ny Kaominina io bileta io kanefa miisa aman’aliny ny Kaominina eto Madagasikara. Hafa ny fanomanana amin’ity fifidianana ity ka izany no tokony hanomanana azy tsara.

Lire la suite

Articles Similaires