• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana : Nampitomboina avo 4 heny ny teti-bola ampiasaina

01/01/1970 15:19 © Moov.Mg

Antoka iray entina miady amin’ny fahantrana ny fampihenana ny isan’ny zaza ateraka, izay fomba hifehezana ny fitombon’ny mponina. Dingana iray mankany amin’ny fahatanterahan’izany ny Fihaonambe Nasiônaly ho Fampiroboroboana ny Fandrindram-piterahana izay natomboka androany ary haharitra roa andro.

Nitombo avo roa heny

« Izaho sy ianao miara-mientana, ho fampandrosoana an’i Madagasikara » no lohahevitra entina mitondra ity fihaonambe natomboka androany teny Anosy ity. Nandritra ny fotoam-panokafana no nilazan-dRtoa Josiane Yaguibou, solontena maharitry ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Mponina (UNFPA) eto amintsika, fa iray amin’ireo firenena afrikanina vitsy manome lanja ny fandrindram-piterahana, ao anatin’ny pôlitikam-panjakana, i Madagasikara. Efa nahavita dingana lehibe tao anatin’izany sehatra izany rahateo isika, satria tao anatin’ny 18 taona, dia nitombo maherin’ny avo roa heny ny taham-pampiasana fomba fanabeazana aizana eto Madagasikara. Raha 18% mantsy izany tamin’ny taona 2003, dia tonga 43% tamin’ny taona 2021, araka ny nampahatsiahivin-dRtoa Josiane Yaguibou. Na eo aza anefa izany dia mbola betsaka ny ezaka tokony atao, indrindra eo amin’ireo tovovavy. Notsiahivin-drtoa solontenan’ny UNFPA fa ny 31% amin’ireo eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona no efa nanomboka ny fiainam-pananahany. Eto amintsika ihany koa dia zatovovavy 3 isan’andro no mamoy ny ainy vokatry ny vohoka na ny fiterahana. Ny fampiroboroboana ny fomba fandrindram-piterahana ihany no vahaolana tokana azo isorohana izany, araka ny nambarany.

Fitaizana ny tanora

Nanamafy koa ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, fa mandray anjara amin’ny fampihenana ny fahantrana ny fampiasana ny fanabeazana aizana. Efa tamin’ny taona 2019 no namolavolana ny tondrozotra nasiônaly momba ny firindran’ny fitombon’ny mponina (dividende démographique) eto Madagasikara, hoy izy, ka tamin’izany no nametrahana fa fototry ny paikady ho fampitomboana ara-toekarena sy hanatsarana ny fiainan’ny mponina ny fandrindram-piterahana. Ho fanatrarana ny tanjona dia nampitomboina avo 4 heny ny teti-bola ampiasaina amin’ny fanapariahana ny fandrindram-piterahana manerana ny Nosy, ao anatin’ny teti-bolam-panjakana, hoy kosa ny Filoha Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin’ny andry voalohan’ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana rahateo izany, dia ny fampivoarana ny maha-olona. Isan’ny nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoham-pirenena, ankoatra izay, ny filazany fa hanaovana dingana manokana ny fampahafantarana sy ny fitaizana ny tanora mba ho fiarovana azy ireo amin’ny vohoka tsy niriana.

Hitohy hatramin’ny rahampitso moa ity Fihaonambe Nasionaly ho Fampiroboroboana ny Fandrindram-piterahana ity.

Lire la suite

Articles Similaires