• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fahandroana sakafo : Hampitomboina ny tahan’ny fianakaviana mampiasa angovo madio

12/07/2024 13:44 © Moov

Nisy ny atrikasa notanterahina nandritra ity herinandro ity momba ny angovo madio amin’ny fandrahoana sakafo. Mbola mitana a njara toerana lehibe eto Madagasikara ny fampiasana ny harina fandrehitra. Manoloana izany indrindra dia nivoitra nandritra io atrikasa io fa hampitomboina ireo olona mampiasa ny angovo madio handrahoina sakafo.

90% ny Malagasy mampiasa arina fandrehitra

Nivoitra nandritra io atrikasa io fa mbola goavana ny ezaka hampidirana ny angovo madio handrahoina sakafo. Raha ny antontan’isa farany izao dia 95% ny tokantrano malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra (charbon). Ao anatin’ny fanamby lehibe hiraisana napetraky ny Fanjakana Malagasy amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Angovo sy Akoranafo (MEH) miaraka amin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy (MEDD) ho fampiroboroboana ny fahandroana sakafo avy amin'ny angovo madio (Cuisson Propre) eto Madagasikara. Vina lehibe ny hampiakatra ny tahan'ny fampiasana ity angovo madio ity (Cuisson Propre). Efa maro rahateo ihany koa ireo teknolojia sy angovo afaka ampiasaina (bioethanol, gaz butane, herinaratra, biogaz, foyers améliorés, sns). Zava-dehibe noho izany ny tantsoroka avy amin'ireo mpiara-miasa ara-teknika sy ara-bola (PTF) ho fanatrarana ny tanjona iombonana. Izany fifampiresahana tamin’ny PTF izany no namaranana ity herinandron’ny angovo madio ity teto Madagasikara.

Fiarovana ny tontolo iainana

Miankina indrindra amin’ny fanimbana ny ala ny fanamboaran ireny arina fandrehitra ireny. Raha ny antontan’isa farany izao dia 20% amin'ny faharavan'ny ala eto amintsika no vokatry ny fampiasàna ny hazo hamadihana azy mba hahandroana sakafo. Izany no handraisana ity hetsika ity ho tena zava-dehibe. Tanjona ny fampisitrahana angovo madio sy maoderina ary amin'ny vidiny takatry ny besinimaro ho fanatratrarana ny ODD7, sy ho fitandrovana ny tontolo iainana. Nisy araka izany ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny mpisehatra avy amin'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hitadivana fanohanana ho an'ireo mpandraharaha amin'ny sehatry ny fahandroana sakafo amin'ny angovo madio izany. Lahadinika nanatanterahana ny adihevitra ny fandraisan'anjaran'ireo mpisehatra 5 eo amin'io sehatra io dia ny: ANKA (fahandroana elekitrika), ARAFA SARL (biogaz), MOCO GAZ Madagascar (distribution de gaz), OBIO HAMY (Ethanol), ary ny KARMA na Kaoperativa Arina Maitso. Vahaolana atolotra manoloana izany ny fampiroboroboana ny fambolena ala hamokarana "hazo angovo". Ilaina izany mba hampihenana ny fandravana ala voajanahary an'arivony hekitara isan-taona.

Lire la suite

Articles Similaires