• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Oniversiten’Antananarivo : Tapitra ny 72 ora nomen’ny mpianatra, tsy nivaly ireo fangatahana

12/07/2024 11:29 © Moov

Efa tapitra omaly ny 72 ora napetraky ny mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo hamahana ny olan’izy ireo. Tafiditra tao anatin’izany fangatahana izany ny fanefana ny vatsim-pianarana sy ny fanarenana ny herinaratra sy ny rano. Hatramin’izao dia mbola tsy nisy nivaly izany fangatahana rehetra izany.

Tsy mbola nisy ny fandraisana vatsim-pianarana

Iray tamin’ireo fangatahan’ireo mpianatr’Ankatso ireo ny hamoahana ny vatsim-pianarana enim-bolana faharoa. Tapitra ny 72 ora fa mbola tsy nisy nandray izany ireo mpianatra. Raha ny vaovao farany moa dia omaly ireto mpianatra ireto no nifampiresaka tamin’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Aorian’izay vao mety hisy ny valiteny mahafa-po afaka omena azy ireo. Anisan’ny olana mahatara izany fanomezana vatsim-pianarana izany ihany koa ireo fikorontanana samihafa. Ao anatin’izany ny mahatonga ny kaontin’ireo mpianatra ho « zéro solde » sy ireo izay nanana kaonty diso laharana karapanondro. Andrasan’ireo mpianatra fatratra ny famahana izany olana izany. Ankoatra izay anefa dia mbola manahy ihany koa ireto mpianatra ireto amin’ny tsy hivalian’ny fangatahan’izy ireo momba ny lelavola tokony ho raisiny. « Naheno izahay hoe 3 volana ihany aloha no ho raisinay kanefa ny nangatahanay dia ilay enim-bolana faharoa rehetra. Matoky anefa izahay hoe hisy hiaino izany fangatahana izany », hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Raha tsiahivina dia tsy mahefa zavatra betsaka amin’ny fianaran’izy ireo akory io vatsim-pianarana telo volana monja io.

Olan’ny rano

Tafiditra tao anatin’ny fangatahan’ireto mpianatra ireto ihany koa ny famahana ny olan’ny rano sy ny jiro ao amin’ny faritry ny Oniversite. Efa tonga teny an-toerana ny mpiasa avy ao amin’ny JIRAMA omaly. Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny ekipa avy ao amin’ny Emergency Network Water dia hita fa fako nanentsina ny kaontera no nahatonga tsy fahazoana rano teny an-toerana. Raha ny fampitam-baovao dia notontosaina avy hatrany ny fanesorana ireo fako ireo. Heverina hiverina amin’ny laoniny, izany hoe mandeha alina sy antoandro, ny rano amin’iny faritra Ankatso Pedagojika iny aorian’izany. Mbola ny tao amin’ny Fakiolten’ny teny sy ny haisoratra ary ny siansan’ny maha-olona eny Ankatso no nanombohana izany. Hitohy amin’ireo faritra hafa misedra olana amin’ny fahazoana rano ny famahana ny olana.

Lire la suite

Articles Similaires