• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Miisa 6 ireo Solombavambahoaka tsy niditra ao anatina vondrona parlemantera

12/07/2024 09:17 © Moov

Afaka misafidy ny tsy hiditra anaty vondrona parlemantera ireo Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena. Miisa enina izy ireo tamin’ity fitondrana ity no tsy niditra tao anaty vondrona. Nisafidy ny hitondra hatramin’ny farany ny maha-tsy miankina azy izy ireo.

Mijoro sy hamita ny andraikitra

Nilaza ireto Solombavambahoaka ireto fa hijanona ho tokana saingy hijoro sy hamita ny andraikitra napetraka taminy hatrany. Raha tsiahivina dia ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrika Ambatolampy, Rakotomalala Miarintsoa izany. Ao ihany koa ireo roa voafidy tao amin’ny Distrika Arivonimamo, Randriamampianina Rajerison Antoine, miaraka amin'i Rakotondrabesa. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ankazobe Razafimandimby Harijao Percy sy Bariniaina Fidy, voafidy tao Manjakandriana. Tao anatin’izany ihany koa i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa izay voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo eto Antananarivo. « Tsy miaraka amin’ny antokon’ny fitondrana ao anatin’ny vondrona parlemantera ary ihany koa tsy miaraka amin’ny antokon’ny tsy miankina manohana ny fitondrana na ireo ao amin’ny vondrona firaisankina izahay. Miray hina kosa izahay ireo fa hitady ny tombontsoan’ireo olona nifidy anay », hoy Randriamampianina Rajerison Antoine, solontenan’izy ireo.

Mihena ny fahafahana miteny

Nanazava ity Solombavambahoaka ity fa voarakitra ao amin’ny fitsipika anatiny mifehy azy ireo ny tsy fidirana amin’ny vondrona parlemantera. Mijanona fotsiny amin’ny safidiny izy ireo ary antsoina hoe « non-inscrits ». Etsy andaniny anefa dia azo lazaina ho mihena ny fahafahana miteny rehefa tsy anatin’ny vondrona. « Tsy misy lalàna miteny hoe tsy afaka miteny fa mihena fotsiny ny fahafahana. Lasa tsy manana olona afaka hanohana ilay hevitra fotsiny », hoy hatrany izy tamin’ny fanazavana. Tsy manakana azy ireo hitady ny mahasoa ireo olona nifidy azy ireo anefa izany. Amin’ny ankapobeny dia miisa 15 fara fahakeliny ny isan’ny Solombavambahoaka anaty vondrona iray. Araka izany dia tsy afaka hanangana vondrona izy ireo noho izay tsy fahafenoana isa izay.

Lire la suite

Articles Similaires