• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Birao Maharitry ny Antenimierampirenena : Ny depiote IRMAR hatrany no maro an'isa

12/07/2024 07:34 © Moov

Tontosa omaly 11 jolay ny fifidianana ireo mpikambana ao anatin'ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza. Ny depiote avy amin'ny antoko politika mpanohana ny fitondrana hatrany no nahazo ny toerana betsaka indrindra.

-Filoha Lefitry ny Faritanin'Antananarivo : Augustin Andriamananoro, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'Antananarivo I
-Filoha Lefitry ny Faritanin'Antsiranana: Mamangy Norbert, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Sambava
-Filoha Lefitry ny Faritanin'i Fianarantsoa: Fomendraza Haingo Elisette, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' Ambositra
-Filoha Lefitry ny Faritanin' i Mahajanga : Soafilira Princia, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' Analalava
-Filoha Lefitry ny Faritanin' i Toamasina : Naharimamy Lucien Irmah, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Toamasina I
-Filoha Lefitry ny Faritanin'i Toliara : Raharoarilala Tinoka Roberto, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Toliara I
-Kestora I : Rivotiana Richard Jean Bosco, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Lalangina
-Kestora II : Nadine Andrianasolo , Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Manakara
-Kestora III : Vololomboahangy Tsiriniaina Narindra , Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' Amparafaravola
-Mpampaka-teny Jeneraly : Milavonjy Andriasy Philobert, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' Ambovombe Androy
-Mpampaka-teny Jeneraly Lefitra : Raholijaona Harson, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan' i Tsiroanomandidy

Hery fanoherana

Koa satria lapan'ny demokrasia ny eny amin'ny Antenimierampirenena, mananjo haneho hevitra sy handray anjara avokoa ireo depiote 163, na avy amin'ny IRMAR, na antoko mpanohitra, na antoko tsy miankina, na mahaleo tena. Lany ho ho Filoha lefitra ho an’ny mpanohitra i Randrianasoloniaiko Siteny Thierry, Solombavambahoaka voafidy tao Toliara I, sady kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

Lire la suite

Articles Similaires