• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

JALCC : Manam-piniavana hiady amin’ny kolikoly i Madagasikara

11/07/2024 15:12 © Moov

Maro ireo lalàna efa neken’ny Madagasikara izay miroso any amin’ny ady atao amin’ny kolikoly. Izany no nivoaka nandritra ny fankalazana, androany, ny andro Afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly (JALCC). Nandritra izany no nanambarana fa efa mandroso ny ezaka ho an’ny Madagasikara ao anatin’izany ady izany.

Betsaka ireo lalàna nankatoavina tao anatin’ny 20 taona

Nanamarika ny Tale Jeneralin’ny Birao Nasionaly miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) fa efa betsaka ireo dingana nataon’ny Madagasikara amin’ny ady amin’izany fihetsika mamohehatra izany. Efa nampiakatra ny toeran’ny Madagasikara ihany koa izany manoloana ireo firenena miady amin’ny kolikoly. Efa nanomboka tamin’ny taona 2004 no efa nanomboka izany ady izany tamin’ny alalan’ny fanekena sy fampidirana lalàna isan-karazany ho ampiharina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fankatoavana ny fifanarahan’ny firenena mikambana amin’izay ady amin kolikoly izay. Ao ihany koa ohatra ny « protocole du SADC sur la lutte contre la corruption » sy ny fandraisana anjara amin’ny fifaneken’ny vondrona Afrikanina ho fisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly. Ankoatra ireo lalàna iraisam-pirenena efa nekena ireo anefa dia efa misy ihany koa ireo lalàna nampidirina tato anatiny. Ohatra amin’izany fotsiny ny Lalàna lah 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2022, hiadiana amin’ny kolikoly. Ny fanekena ireo lalàna samihafa ireo no nanatsara ny toeran’ny Madagasikara ao anatin’izany ady lehibe izany. Raha tsiahivina dia ny taona 2012 i Madagasikara no nahazo isa tsara indrindra ary tokony haverina izany.

Asa hiara-manatanteraka

Efa ho 20 taona teo ho eo i Madagasikara no nanao sonia fifanarahana ary nampiditra antontan-kevitra ao anatin’ilay fifanarahana afrikanina ao anatin’ny rijatenin’ny Malagasy. Etsy andaniny anefa dia asa tsy vitan’olon-tokana ny ady amin’ny kolikoly. Eny fa na eo aza ireo lalàna ireo dia mila ny fandraisana andraikitry ny tsirairay izany. « Marina fa efa mandroso i Madagasikara amin’ny fampidirana ireo lalàna maro entina miady amin’ny kolikoly. Etsy andaniny anefa dia ilaintsika ihany koa ny fanabeazana ho olom-pirenena ho tompon’andraikitra sy hahasahy hiady », hoy ny mpahay lalàna. Araka izany dia manana adidy avokoa ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ao anatin’io ady amin’ny kolikoly io. Izany fanabeazana izany no mbola lesoka mila harenina manerana ny lafy valon’ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires