• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Se Cnls
Image
Vaovao

Fahasalamana : Manodidina ny 70 000 ny isan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA

11/07/2024 10:32 © Moov

Mbola misy hatrany amin’izao fotoana izao ireo tsy mahalala ny fisian’io areti-mifindra VIH / SIDA io. Fantatra nandritra ny atrikasa natao teny Anosy Avaratra, omaly, fa miisa 70 000 eo ho eo ny isan’ireo olona mitondra io aretina io eto Madagasikara. Raha ny taona 2023 fotsiny dia niisa 17 000 teo ho eo izy ireo.

Tsy mitsaha-miakatra ny antontan’isa

Somary nangingina tato ho ato ny fanentanana momba ny fiarovana sy ny fitsaboana ity aretina ity. Nilaza ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo izay voatily sy voamarina fa mitondra io tsimok’aretina io. Tsy mbola nisy kosa anefa ny antontan’isa voafaritra amin’izany. Raha ny taona 2021 dia niisa 9 277 ny isan’ireo mitondra ny tsimok’aretina. Niakatra hatrany ny isa. Raha tsy miova ny fomba fiasa dia hatahorana ny hiakaran’io isa io isan-taona. « Raha ny vinavina dia tokony eo ho eo amin’ny enina arivo eo ho eo ny isan’ireo olona mitondra io tsimok’aretina io amin’ny taona 2026. Tokony ahena foana io isa io mba tsy ho taranaka mitondra ny tsimok’aretina VIH avokoa ny ho avy eo », hoy ny solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Misy fanovana tetikady

Aretina mety hahazo ny karazan’olona rehetra ity aretina ity. Araka izany, manomboka eto, hiantefa amin’ny sarambabem-bahoaka ny fanentanana mikasika ny ady amin’ny fiparitahan’ity aretina ity, hoy ny mpandrindra ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny IST/Sida, ny Dokotera Rakotoherimora Noro Assunta. Nifantoka tamin’ireo vondron’olona tandindomin-doza ny hetsika, toy ny tanora, mpitsindrona zava-mahadomelina, mpampanofa vatana…. raha ny nahazatra teo aloha. Tsy ireo voalaza ireo ihany nefa no mila fanentanana, satria mety hahavoa ny aretina raha tsy voadio tsara ny fitaovana mihosin-drà rehetra, toy ny fanindronana any amin'ny mpitsabo nify na ny "lame" any amin'ny mpanety.
Ny fihinanana fanafody irery ihany moa no tsy mampirongatra ny fitombon’izany tsimokaretina izany anaty vatana sy hananana faharetana ara-pivelomana. Tsiahivina fa maimaimpoana ny fitiliana ity aretina ity eny amin’ireo toerana izay afaka hanatanterahana izany. Maimiampoana ihany koa ny fandraisana an-tanana sy ny fanafody fitsaboana rehetra. Ao anatin’izany ny tohana ara-tsaina sy ny fanafody ARV. Mbola ny Fond mondiale no mamatsy vola ny ady amin’ny VIH/Sida hatreto. Distrika 27 no tena iasana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires