• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Taxi-Bajaj : 5 000 ariary ny sarandalana ambany indrindra ao Sainte-Marie

11/07/2024 08:48 © Moov

Mifanaretsaka ny olona ao Sainte-Marie amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao, indrindra fa manakaiky ny Festival des Baleines, manomboka ny 13 jolay ho avy izao. Mahazo tombony avokoa ireo mponina ao an-toerana, na ireo trano fandraisam-bahiny, na ireo mpivarotra, na ireo mpitatitra. Somary lafo nefa ny fiainana ao an-toerana. Ny taxi-bajaj ohatra dia 5 000 ariary ny sarandalana.

Teratany vahiny no tena mpitsidika an'i Sainte-Marie na Nosy Boraha. Nosy Ibrahim no tena anarany teo aloha. Nosy kely ao antsinanan'i Madagasikara, izany hoe avaratra atsinanan'i Fenerive-Est, izy io. Na dia efa mihamaro aza ireo teratany Malagasy mivezivezy sy mizahatany ao amin'io Nosy io, azo lazaina fa lafo tokoa ny fiainana any an-toerana.

Fitaterana ho an'ny daholobe

Amin'ny maha-nosy azy, sarotra ny mampiditra fiara ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Entina "Bac" eny ambony rano mantsy ireo fiara na kodiarandroa te hiditra ao, miainga any Soanierana Ivongo. Ny tena fanaon'ireo manana fiara nefa hanao vakansy dia ajanona ao Toamasina, Soanierana Ivongo na Mahambo ny fiara ka ny olona ihany no manao izay ahatongavana any an-toerana. Maro ireo orinasa misehatra amin'ny fizahantany no manana fiara itondrana ireo mpivahiny. Azo atao tsara ihany koa ny manofa moto. Misy kosa ny fitaterana ho an'ny daholobe raha tsy manana fitaterana efa voaomana mialoha. Tsy inona izany fa ny Bajaj. 5 000 ariary moa ny sarandalana raha "course en ville" no resaka. Tsy misy ny fihenambidy na 500 metatra aza ny toerana aleha, ohatra hoe miainga eo amin'ny Port hatreo amin'ny Telma Shop, izay samy eo Ambodifotatra ihany. Mitombo kosa ny vola aloha raha somary lavidavitra ny toerana aleha. Raha manofa babaj entina mitsidika ireo toera-mana-tantara maro ao an-toerana dia mila manomana 80 000 ariary isan'andro raha kely indrindra. Misy kosa nefa ny Cyclo-pousse izay mitondra olona amin'ny sarany 1 500 ariary no miakatra.

Fizahantany mamelona ny faritra

Ny fizahantany no angovo mamelona an'i Sainte Marie. Ny ankamaroan'ny asa rehetra ao amin'io Nosy io mantsy dia miodinkodina amin'ny fandraisana mpizahatany avokoa. Marobe ohatra ireo trano fandraisam-bahiny sy fisakafoanana any an-toerana. Tena fiveloman'ny mponina ihany koa ny fitaterana, dia ny fanofana fiara sy bajaj. Mazava ho azy fa mamelona olona maro ihany koa ny fitaterana an-dranomasina. Tsy adino ireo mpamboly sy mpanao asa tanana izay mivarotra ny vokatra amin'ireo mpanao vakansy.
Ny volana jona hatramin'ny desambra moa no tena be mpizahatany any Sainte-Marie. Tsy tapaka kosa nefa ny fandraisana mpiala sasatra mandritra ny taona. Amin'ny maha-nosy azy, matetika dia avy ny orana na dia amin'ny vanim-potoana mangatsiaka aza. Mila miomana mitondra vola misimisy izany raha mikasa hanao vakansy ao Sainte-Marie.

Toro vitsivitsy

Mikasa hitsidika an'i Sainte-Marie ve ianao ? Azo atao tsara ny mandeha fiaramanidina. Raha te hiaina "aventure" mahafinatitra kosa, afaka mandeha fiara tsara, hatreo Toamasina. Misy fiara manokan'ireo mpitatitra an-dranomasina avy eo mihazo an'i Mahambo na Soanierana Ivongo, toerana andraisana ny sambo. Mazava ho azy fa mila "réservation" mikasika ny daty sy ny isan'ny olona. Tsara ihany koa raha mamandrika mialoha ny trano ipetrahana, na ny ao Toamasina, na ny ao Sainte-Marie. Feno avokoa mantsy ny ankamaroan'ny hotely amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Ny ao Sainte-Marie dia manomboka amin'ny 45 000 ariary isan'alina ny trano ho an'olon-droa.

Lire la suite

Articles Similaires