• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Andininy 19 amin’ny fitsipika anatiny no nasiam-panitsiana na novaina

11/07/2024 06:56 © Moov.Mg

Nolanian'ireo Solombavambahoaka, omaly, ny fanavaozana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena mandritra ny 5 taona ho avy. Andininy 19 no nasiam-panitsiana sy fanovana tamin'izany.

Toeran’ny fanoherana

Fanitsiana voalohany tsy maintsy napetraka ny momba ny isan'ireo Solombavambahoaka, izay nitombo ho 163 raha 151 izany teo aloha. Izany no natao, raha tsiahivina, dia noho ny fisian'ireo Distrika 12 lasa nanana Solombavambahoaka miisa 2, raha tokana ihany teo aloha.

Isan'ny fanavaozana tena nandrasana ihany koa ny momba ny andininy faha-14 mikasika ny filoha lefitra faha-7 eo anivon'ny Antenimierampirenena. Ny filoha lefitra 6 moa dia solon-tena isaky ny faritany. Ny toerana fahafito kosa, izay tsy nisy nitazona nandritra ny fe-potoam-piasan'ireo depiote teo aloha, dia natokana ho an’ny mpanohitra. Notsipihina mazava ao anatin'ity fitsipika anatiny vao nolaniana ity fa tsy maintsy Solombavambahoaka io filoha lefitra io. Nampiady hevitra mantsy ny momba io toerana iray io, tamin’ny fotoam-piasan’ireo depiote teo aloha, ary antony iray nahatonga azy ho banga hatramin’ny farany. Tsy nipetraka mazava tao anatin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena, raha azo apetraka hitazona io toerana io ny olona ivelan’ity andrim-panjakana ity na tsia.

Fanomezana alalana hifidy

Ankoatra izay dia isan’ny nitondrana fanovana ihany koa ny andininy faha-91 ao amin’ny fitsipika anatiny, izay mamaritra indrindra ny momba ny latsabato ataon’ny rehetra, eo anivon’ny Antenimierampirenena. Araka ny tatitry ny asam-baomiera dia nahitana fanomezana alalana hifidy na « délégation de vote » maro loatra, nandritra ilay fitsipahan-pitokisana ny governemanta (motion de censure) izay nitranga tamin'ny 8 desambra 2022, kanefa tsy nahitana porofo ny fahamarinan’izany fanomezana alalana hifidy izany, noho izany dia mety ho hosoka.

Rehefa mahazo fankatoavana avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ireo fanitsiana sy fanovana nentina tamin’ny fitsipika anatiny ireo, dia afaka miroso amin’ny fifidianana ny Filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitra, ary amin’ny fananganana ireo Vaomiera maharitra, ny Antenimierampirenena.

Lire la suite

Articles Similaires