• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Essa
Image
Vaovao

Disadisam-piarahamonina : Misy tany ao anatin’ny faritry ny AGRO hananganan’olona trano

10/07/2024 16:16 © Moov

Tonga nanangana ny tamboho ho an’ilay tanànany vaovao ilay olona milaza ho manana fahazoan-dalana hanangana trano ao anatin’ny faritry ny sampam-pampianarana AGRO eny Ankatso. Mirefy eo ho eo amin’ny 500m2 eo io tany io. Miantso ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika mba handray andraikitra manoloana izany tranga izany ny avy ao amin’ny AGRO.

Efa niadiana hatramin’ny taona 2017

Efa nanomboka tamin’ny taona 2017 no efa nanombohan’ity disadisa ity. Efa tamin’izany fotoana izany no nandavana hatrany izany fananganana trano ao anatin’ny fari-pampianarana an’ny AGRO izany. « Tokony mba izay tombontsoa iraisan’ny daholobe no jerena fa tsy an’olon-tokana. Ao anatin’izany ny Oniversite, ny sekoly ary indrindra ny hasin’ny fampianarana. Efa nanao izay azonay natao izahay handavana io fanorenana io hatramin’ny 2017 ka mangataka fanampiana foana», hoy ny Tale Jeneralin’ny sampam-pampianarana AGRO eny Ankatso. Marihina moa fa manoloana ny vavahady fidirana ao amin’ny faritry ny sekoly izany trano vaovao izany no ho hatsangana. Fefy no nokasain’izy ireo hatsangana tamin’ity anio ity. Voasakana ihany izany ary mbola mangataka fanampiana hatrany ireto tompon’andraikitra ao amin’ny AGRO ireto.

Tafiditra ao anatin’ny « zone pédagogique »

Nanamarika ihany koa ity Tale Jeneralin’ny AGRO ity fa tafiditra ao anatin’ny « zone pédagogique » ihany koa ity fanorenana ity. « Zavatra tsy azo atao mihitsy izany satria manelingelina amin’ny fitohizan’ny fampianarana. Tokony handraisana fepetra haingana mba tsy hiitaran’ny fanorenana ka hanano-sarotra indray ny fandravana izany avy eo », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity nanazava. Raha hampahatsiahivina, ny lalàna dia manambara fa amin’ny antsasa-metatra miala amin’ny ny fari-pampianarana no tsy mahazo hanorenana mihitsy. Araka izany dia maro ireo lalàna nodinganina tamin’ity fanorenana ity ka tokony handraisana fepetra malaky.

Lire la suite

Articles Similaires