• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampiatiana ara-nomerika : Ampianarina ny « coding » sy « programmation » ireo mpianatry ny EPP

10/07/2024 15:38 © Moov.Mg

Manome tosika ireo ankizy mba hiditra sy hivelatra ao anatin’ny tontolo nomerika ny Maison du Numérique eny Ambatonakanga, ka mampianatra ny ankizy avy eny anivon’ny ambaratonga fototra momba ny « coding » sy ny « programmation », mandritra izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.

Ankizy afaka CEPE

Holi’dev no anaran’ity fandaharanasa ity, izay iarahan’ny Maison du Numérique, ny orinasa Telma ary ny fikambanana tsy miankina CoderDojo manatanteraka. Ireo ankizy mpianatry ny EPP 67 ha Atsimo, izay vao afaka fanadinana CEPE teo, no misitraka ny fandaharanasa, nanomboka ny alarobia 3 jolay lasa teo. Miisa 100 eo ho eo izy ireo no hianatra ny fototr’izany fikirakirana ny nomerika izany, isaky ny alarobia hariva, mandritra izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Ny « coding » sy ny « programmation » no hiofanan’ireto ankizy ireto, fa hahafahan’izy ireo manana fahaiza-manao hafa ihany koa izany, toy ny fahaizana mamaha olana sy ny fahaizana miara-miasa ao anaty ekipa. Amin’ny fomba tsotra sy mora raisina no ampitana ny fahaizana amin’izy ireo, hoy i Santatra Harinoro, avy amin’ny CoderDojo. Ity farany, izay hetsika tarihin’ny fikambanana STEM For Good, no nanomana ireo taranja ianarana sy nanolotra ireo mpampiofana. Efa manana traikefa amin’izany rahateo ny fikambanana, satria ankizy manodidina ny 5 000 isa, 7 hatramin’ny 17 taona, no efa nisitraka ny fiofanana nomen’izy ireo manerana an'i Madagasikara.

Fandaharanasa nomerika roa

Nosafidiana manokana ity sekoly fanabeazana fototra ity, noho izy mandray ireo ankizy sahirana, amin’ny akapobeny, araka ny fanazavan’i Zo Ny Riantsoa Rabefitia, tomponandraikitry ny praograma fampiatiana ara-nomerika eo anivon’ny Telma. Efa nataon’ity orinasan-tserasera ity ho sekoly filamatra rahateo ny EPP 67ha Atsimo, ka efa nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana solosaina ny mpianatra avy ao aminy, ao anatin’ilay tetikasa e-JERY iarahan’ny Telma manatanteraka amin’ny Maison du Numérique. Tanjona ny hampiatiana ankizy 500 isa ao anatin’ny tontolo nomerika, hatramin’ny faran’ity taona 2024 ity, amin’ny alalan’ireo fandaharanasa nomerika roa ireo, dia ny Holi’dev sy ny E-JERY. Ankizy manodidina ny 2.000 isa kosa no kendrena, ho an’ny taona 2025. Tafiditra ao anatin’ny faha-20 taona naha-orinasa tsy miankina ny Telma Madagascar ihany koa izao hetsika fampiatiana ara-nomerika izao.

Lire la suite

Articles Similaires