• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio Sifaka
Image
Vaovao

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa : Tokony hikaroka vahaolana hahafahan’ny orinasa JIRAMA manaja ny mpanjifa

10/07/2024 12:22 © Moov

Tokony hajaina ny mpanjifa, izany no fangatahan’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa manolona ny fahatapahan-jiro lavareny tato ato. Nanamarika ireto mpiaro ny zon’ny mpanjifa ireto fa vahaolana maharitra no tokony ho karohina mba ho mendrika ny fanajana ny mpanjifa izany.

Mila amboarina ny fomba fitantanana

Olana efa naharitra teto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) izany fahatapahan-jiro izany. « Efa hatry ny ela no efa fantatra fa ny fitantanana no olana mahatonga io fahatapahan-jiro io. Ny fahaizana ny fomba fitantanana ny zava-misy sy ny zavatra tsy misy hatrany no ilaina mba hahafahana manolotra vahaolana », hoy i Lalaina Razafindralambo, mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ivon’ny olana hatrany ny fitantanana ity menaka mavesatra ity. Araka izany dia mifandray amin’izany indrindra ny hevitr’ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity. « Tokony hamarinina ny fomba fitantanana ilay menaka mba ho ampy hatrany ny filàn’ny mpanjifa. Hapetraka araka izany ny hasin’ny mpanjifa mba hahafahany manefa ny vidin-jiro ka ho ampy ny famatsiana », hoy hatrany ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity. Tafiditra ao anatin’ny fitantanana tsara avokoa izany rehetra izany.

Hamafisina ny fampiasana angovo azo havaozina

Anisan’ny olana iray mahatonga ny mpanjifa tsy hanefa ny vola ara-dalana ihany koa ny tsy fahampian’ny herinaratra hampiasaina. Vahaolana amin’izany ny fampitomboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Efa miditra tsikelikely amin’izany ny fitondram-panjakana saingy mbola mila ampiana hatrany izany ezaka izany. « Manan-karena isika raha resaka rivotra sy masonadro ka tokony ho trandrahina ireny rehetra ireny hampitomboana ny herinaratra ilaina. Amin’ny ankapobeny dia misy ireo toerana efa manana izany fa mila hampitomboana ihany koa ho an’ireo faritra hafa », hoy hatrany ny fanazavan’ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity. Marihina moa fa efa tsy ampy hatrany ny solika mavesatra ka izay no tokony hirosoana bebe kokoa amin’ity fomba iray ity.
Raha tsiahivina dia amin’ity androany ity no ho tonga ny solika mavesatra. Tokony hampiverina ny famatsiana herinaratra ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo atoato ny fahatongavan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires