• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Kianja Barea Mahamasina : Mbola ho dinihina ny karazana bozaka hapetraka ao anatiny

10/07/2024 10:33 © Moov

Mbola andrasana ny fanapahan-kevitra amin’ny bozaka mety hapetraka ao anatin’ny Kianja Barea Mahamasina. Izany no nambaran’ny Sekretera Jeneraly miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) omaly. Marihina fa anisan’ny antony iray tsy nahafahana nandray ny lalao farany teo ny faharatsian’ny bozaka tao amin’ny Kianja Barea ity.

Mety hovaina tsy voajanahary

Izay mahasoa ny firenena no tadiavina hoy Gerard Andriamanohisoa, Sekretera Jeneralin’ny SENVH. Mbola hifampidinihina araka izany ny bozaka haverina eo amin’io kianja io. « Esorina aloha izy amin’izao fotoana izao. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana satria izay mahasoa ny firenena no jerena. Mety hiova ho tsy voajanahary tanteraka izy na mety hametraka bozaka vaovao fotsiny », hoy hatrany i Gerard Andriamanohisoa tamin’ny fanampim-panazavana. Bozaka voajanahary no teo ary nampiasaina tamin’ny hetsika samihafa ka izay no nahasimba azy izay efa lasa nisy ahi-dratsy. Teboka iray nandavana ny handraisana lalao teo. Araka izany, ny fitondram-panjakana no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’izany. Raha tsiahivina, ankoatra ny bozaka dia efa andalam-panamboarana ihany koa ireo teboka samihafa nangatahin’ny CAF sy ny FIFA.

Mila mpitantanana matihanina

Aorian’ny fanamboarana farany araka ny fangatahan’ny CAF sy ny FIFA dia mila mpitantana matihanina ity toerana lehibe ity. Tanjona amin’izany ny hahafahana miaro ny fotodrafitr’asa lehibe toy izao. Hatao ihany koa izany hahafahana mikolokolo ny ao anatiny rehetra. Araka izany dia andrasana fatratra izany orinasam-panjakana hampitantanana ity toerana ity izany. « Andraikitry ny ministera ny manorina. Asiana mpitantana izy rehefa avy eo ary hanana ny Tale Jeneraliny ka iny no afaka hametraka ny lamina rehetra amin’ny fanajana sy ny fikojakojana ny kianja. Afaka hampiditra vola hikarakarana ny toerana ihany koa izy ireo rehefa avy eo. Tsy maintsy atao orinasa matihanina anefa izany satria hapetraka ho lova io Kianja Barea Mahamasina io », hoy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny SENVH. Saropady sy lehibe ity fotodrafitr’asa ity ka izay no tsy maintsy hitadiavana mpitantana matihanina. Tsiahivina moa fa vinavinaina handraisana ny lalao amin’ny volana septambra ity Kianja ity.

Lire la suite

Articles Similaires