• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fanjifana : Tsy tokony hioatra ny 3 500ariary ny vidina lafarinina vokarina eto an-toerana

10/07/2024 09:20 © Moov

Niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera nandritra ny andro maromaro izay fa nahitana fidanganany betsaka ny vidina lafarinina. Tonga hatramin’ny 215 000 ariary ny gony iray 50 Kg izany hoe 4 300 izany ny kilao. Nanamarika anefa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC) fa tsy tokony hioatra ny 3 500 ariary ny kilaon’ny lafarinina vita eto an-toerana.

Manana orinasa roa mpamokatra lafarinina isika

Manana orinasa miisa 2 mamokatra lafarinina isika eto Madagasikara. Iray ao Toamasina ary ny iray ao Antsirabe, Andranomanelatra. « Mamokatra lafarinina hatramin’ny 175 000 taonina ireo orinasa roa lehibe ireo ho amin’ity enim-bolana faharoa ity. Mamaly ny 75%-n’ny filàn’ny mpanjifa malagasy izany ka tsy tokony hisy antony hampiakatra ny vidin’ny lafarinina eny an-tsena. Tokony hijanona ho 3 500 ariary hatrany io vidiny io », hoy ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) ao amin’ny MIC, Andriniaina Randriamiaramahefa. Amin’ny ankapobeny dia ny vidina lafarinina hafarana no tena midangana amin’izao fotoana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahatratra hatramin’ny 200 000ariary ny 50kg amin’izy ireny. Araka izany dia ny mpanjifa mihitsy no antsoina hanamarina ny entana izay ho vidiany. Tsy tokony hipaka amin’ny mpanjifa madinika ny fiakaran’ny vidina lafarinina nafarana mba ho fanajana azy ireny, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny Ministera.

Tokony hahavita tena amin’ny lafarinina isika amin’ny 2025

Manana vinavina ny hahavita tena amin’ny resaka lafarinina ny eto Madagasikara. Tokony ho tratra izany tanjona izany amin’ny tapaky ny taona 2025 any. Tsy hanafatra lafarinina avy any ivelany intsony mba hitsinjovana ireo mpanjifa », hoy hatrany ity Tale ity. Mialohan’izany rehetra izany anefa dia ho raisina ireo fepetra rehetra amin’ireo mpivarotra izay manararaotra. Tokony manana tombony isika eto Madagasikara amin’ny fananana ireo orinasa roa ireo. Araka izany misy ny fepetra hentitra ho raisina amin’ireo minia mbola mampiakatra izany vidina lafarinina izany. Ireo izay tsy maintsy mividy lafarinina nafarana avy any ivelany irery ihany no tokony hiaina izany fampiakarana vidin’entana izany. Nanambara rahateo ihany koa ny Filohan’ny Fikambanan’ny mpanao mofo matihanina (ABP) fa tsy miova akory ny vidin’ny lafarinina izay vokarina eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires