• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Lakan-dranon’i Môzambika : Sambo Kenianina tratra nanjono an-tsokosoko tany akaikin’i Nosy Be

10/07/2024 06:30 © Moov.Mg

Tratra nanjono an-tsokosoko tao amin’ny lakan-dranon’i Môzambika, izay mbola fari-dranomasin’i Madagasikara, ny Sambo Kenianina iray. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ireo ekipa tao anatiny ankehitriny ny tomponandraikitra.

Lamandy 2 100 000 000 Ar

Tao amin'ny "Banc du Leven", 87 km avaratra andrefan'i Nosy Be, no nahatrarana ity sambo kenianina mpanjono an-tsokosoko, antsoina hoe : "MAAB AQUA" ity, ny 8 jolay lasa teo, nandritra ny iraka fisafoana nasiônaly ny fari-dranomasin'i Madagasikara Andrefana. Ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny jono (CSP) no nanatanteraka izany, tamin'ny alalan'ny ny sambo mpanara-maso « Atsantsa ». Nandritra izany no nahasamborana tantsambo tera-tany Kenianina miisa 03 sy Sri-lankais miisa 05. Rehefa nohadihadiana ireto mpanjono ireto dia fantatra fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana (Licence de pêche) avy amin'ny ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga hanjono aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. Izany fandikan-dalàna nataon’izy ireo izany dia voararan'ny lalàna ka mahatonga fandoavana lamandy 900 000 000 Ar hatramin’ny 2 100 000 000 Ar, araka ny fehezan-dalana laharana faha 2015-053 tamin’ny 03 febroary 2016, mifehy ny jono sy ny fampamokarana ny atirano, ary ny fehezan-dalana fanavaozana laharana faha 2018-026 tamin’ny 26 desambra 2018.

Nahitana hazandrano arovana

Nandritra ny fisavana ny sambo no nahitana antsantsa na akio anaty lagilasy maromaro avy nojonoina, izay milanja 250kg eo ho eo, niaraka tamin’ny vombony maromaro. Nahitana antsantsa sira milanja 150kg eo ho eo ihany koa, izay misy amin’izy ireo no tafiditra ao anatin'ireo karazana hazandrano arovana tsy ho lany tamingana, ka voararan’ny lalàna ny fitrandrahana azy. Ankoatra izay dia nahatrarana trondro mangatsika milanja manodidina ny 50kg ihany koa tao anatin’ilay sambo. Araka ny fantatra dia harato sy karazana fintana maro lela antsoina hoe : "palangre" no fitaovam-panjonoana nampiasain’izy ireo. Efa nogiazana moa ny taratasy nananan'izy ireo ary notarihina nihazo an'i Nosy Be ny sambo, niaraka amin'ireo ekipa tao anatiny, ka mbola mitohy ny fanadihadiana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires