• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Espoir Malinjo
Image
Vaovao

Ankizy hafakely : Manabe ny maha-olona sy mampianatra azy ireo ny Centre Espoir Malinjo

09/07/2024 16:59 © Moov.Mg

Tahaka ny olona rehetra, manana zo hisitraka fanabeazana ny olona manana fahasamihafana na fahasembanana. Mbola vitsy anefa ny sekoly na ivon-toerana mandray azy ireny eto Madagasikara. Iray amin’ireo vitsy dia vitsy ireo ny Centre Espoir Malinjo, ao amin’ny EPP Analakely.

Fanabeazana sahaza

Araka ny antontan’isan’ny RGPH-3 dia manana fahasembanana ara-tsaina ny 21,9 % amin’ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Izy ireo no tena matetika voailika, tsy manana asa mendrika sy tsy manorin-tokantrano, fa ihany koa, tsy mahazo fanabeazana sahaza azy. Mandray ny ankizy manana toe-tena « autiste » sy « trisomique » ny Centre Espoir Malinjo, ao amin’ny EPP Analakely, izay sokajiana ho « classe intégrée », izany hoe : lakilasy mijoro eo anivon’ny sekoly natao ho an’ny ankizy tsy manana fahasamihafana manokana, manampy ireo ankizy hafakely amin’ny fiatrehana ny fiarahamonina. Miisa 40 izy ireo ankehitriny no beazin’ireo mpanabe eo anivon’ny Association des Educateurs Espoir Malinjo miisa 4. Manomboka eo amin’ny 7 taona izy ireo hatramin’ny 36 taona.

Mivelatra amin’ny fiarahammonina

Araka ny voka-pikarohana dia tsy mampivoatra loatra ny ankizy hafakely ny mianatra amin’ny ivon-toerana mitokana, antony nametrahana indrindra ny « classe intégrée », araka ny fanazavan’ny mpanabe, Ratsimbazafy Sitraka Fabrice. Misokajy ho roa ny fanabeazana omena ny ankizy ao amin’ny Centre Espoir Malinjo, dia ny famolavolana ny maha-olona, izay manampy azy ireo hivelatra, hanana fahazarana, ho tafiditra eo anivon’ny fiarahamonina… Eo koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, manisa sy mikajy, toa ny ankizy rehetra. Efa apetraka tsikelikely ihany koa ny lakilasy mampiaty (classe inclusive), izay kilasy natao ho an’ny ankizy tsy manana olana manokana, fa afaka mandray ireo ankizy hafakely izay efa manana fahafahana miara-mianatra amin’ny ankizy hafa. Rehefa mahazo fanabeazana ny ankizy hafakely, hoy ny mpanabe, dia afaka mivoatra amin’ny tontolo manodidina sy mahita fiarahamonina hafa. Ny fiarahamonina kosa dia entanina mba tsy hanilikilika azy ireny, na ireo manana fahasembanana ara-tsaina, na ireo manana fahasembanana ara-batana.

Lire la suite

Articles Similaires