• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gendarmerie Aéroport Ivato
Image
Vaovao

Seranam-piaramanidina Ivato : Fongorina ireo manao asa tsy ara-dalàna eny amin’ny Parking

09/07/2024 14:05 © Moov.Mg

Roalahy no tratran’ny zandary teo am-pagatahana vola tamin'ny mpandeha, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nesorina teny an-toerana izy ireo, ao anatin’ny andraikitra fanadiovana ny manodidina ny seranam-piaramanidina sahanin’ireo zandary.

Voafehin’ny lalàna

Misy lalàna mifehy ny fiantsonan’ny fiarakodia eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, na dia toerana azon’ny rehetra ivezivezena malalaka aza. Izany indrindra no anton’izao fanadiovana eny an-toerana izao, manoloana ny fitarainan’ireo mpandeha fiaramanidina vao tonga na vao hanainga. Andraikitry ny Borigadin’ny Seranam-piaramanidina Ivato sy ny Kaompanian’ny Seranam-piaramanidina Ivato ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminan'ny manodidina ny seranam-piaramanidina, hoy ny fanamarihan’ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Misy, araka izany, ny fanentanana ataon’izy ireo, mba hialana amin’ireo endrika fanelingelenana mitranga eny an-toerana, noho ny ataon’ireo mpaneritery sy mpaka vola amin'ny mpandeha ary ireo mpanao asa tsy ara-dalàna, tahaka ireto roa lahy vao tratra ireto.

Manelingelina mpandeha

Manoloana izany indrindra dia nanentana ny rehetra ny Zandarimariam-pirenena mba hampandre ireo zandary misehatra eo anivon'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, raha sendra misy iharan’ireo tranga tsy manara-dalàna, toy ny fisian’ireo mpibata entana tsy nahazo alalana ka tsy manana mari-pamantarana toy ny « badge » sy ny gilet ; raha sendra olona maneritery sy mangata-bola ; raha sendra ireo fiarakaretsaka « malaso » izay misarika mpandeha ao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, satria efa misy ny « taxi agréé » miloko fotsy miaraka amin’ny « badge » famantarana azy ireo ; raha sendra ireo mpamono entana tsy ara-dalàna (Filmage clandestin de valises), na koa raha mahita mpangataka ao anatin’ny faritry ny seranana, izay zavatra tsy azo atao.

Manantena ihany koa ireo mpandeha sy mpitsena olona tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena fa mba ho fongorina ireo mpiasa ara-dalàna ao anatiny, saingy mpanao tsolotra, ary mazàna aza no mitango vola be lavitra noho ireo olona tsy ara-dalàna eny ivelany.

Lire la suite

Articles Similaires