• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Nisesisesy ny fanimbana fananana iombonana teny amin’ny lalam-pirenena ny volana jona teo

05/07/2024 13:59 © Moov

Nahitana trangana fangalarana sy fanimbana fotodrafitrasa teny amin’ny lalam-pirenena ny volana jona lasa teo. Mirongatra ny asa ratsy. Tsikaritra izany na amin’ireo lalam-pirenena vaovao na eny amin’ireo izay efa tonta. Marihina anefa fa fotodrafitrasa iombonana ireny ka tokony samy hanaja izany avokoa ny tsirairay.

Faritra Itasy sy Alaotra Mangoro

Nidina nanao fitsidihana sy fanaraha-maso ireo tompon'andraikitra teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) ka ny lalam-pirenena teny amin’ny Faritra Itasy sy Alaotra Mangoro no nahitana izany asa ratsy izany betsaka. Tao amin'ny Faritra Itasy, nahitana fanimbana sy fandoroana ireo "talus de remblai ". Tsikaritra izany teo amin’ny teboka halavirandalana PK 28+050 RNS43, Mahazina Soavinandriana, izay hokasaina hambolena mangahazo. Toy izany ihany koa ny teo amin’ny PK 2+020 RNS43, Antaninkatsaka Analavory sy ny PK 103+700 RNS1, Antanetimboahangy. Mbola niampy ny teo amin’ny PK25+000 RNS1, Beronono Imeritsiatosika izany, izay nanaovan'izy ireo dobon-trondro. Ankoatra izany rehetra izany, anisan’ny nahitana mpanimba ihany koa ny teny amin’ny lalam-pirenena faha-44 izay vao notokanana ny taona 2023 lasa teo. Nisy nangalatra ny arofanina na « garde-corps » miisa 29 eo amin'ny tetezana Ambaniatsinanana, PK 209 RN44, Fokontany Antanifotsy, Distrikan'ny Imerimandroso. Mitohy ny fanaraha-maso ary handraisana fepetra ihany koa ireo izay tratra manao izany asa ratsy izany.

Fiaraha-miasa ho fiarovana ny fananana iombonana

Manentana hatrany ireo mpampiasa làlana sy ireo mponina any an-toerana ny Ministeran'ny Asa Vaventy mba hanara-maso ireny fananana iombonana ireny. Tokony hampandre avy hatrany ny tomponandraikitra raha misy olona ahiahiana manimba ny fotodrafitr'asa. Ampahatsiahivina fa mahavoasazy hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina ny fangalarana sy fanimbana fotodrafitr'asa toy ireny. Efa samy nampandre ny manampahefana eny amin'ny Fokontany sy Zandarimariam-pirenena any an-toerana ireo tomponandraikitra ao amin'ny DRTP manoloana ireo toe-draharaha ireo. Akotran'izany, misy ny fisafoana amin’ny alina ataon’ny andrimasom-pokonolona sy ireo mpitandro ny filaminana mba hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hikarohana ireo nahavanon-doza indrindra, amin'ireo toerana nitrangan'ny halatra. Marihina fa mitondra fampivoarana sy fampandrosoana isaky ny faritra izay lalovany ny lalam-pirenena ka zava-dehibe ny fiarovana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires